Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Raha voazahan’ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Fa hozahan’ny mpisorona izany, koa raha hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ny mifaritra mangirana ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Raha voazahan’ny mpisorona kosa izy, ka hitany fa tsy mandoaka hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy hoditra sady matromatroka ihany ilay pentina ary tsy misy fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Raha hitan’ny mpisorona kosa fa tsy fotsy ny volon-koditra eo amin’ny hodi-potsy, tsy latsaka ambany noho ny hoditra izy, sady efa nihamatromatroka, dia hotanany hitokan-toerana hafitoana izany olona izany. Hozahan’ny mpisorona indray izy amin’ny andro fahafito;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Fa raha zahan’ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ny mpisorona toerana hafitoana izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Fa raha zahan'ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin'ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan'ny mpisorona toerana hafitoana izy,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:26
4 Rohy Ifampitohizana  

Raha tsy niova sady tsy nanitatra kosa ilay pentina, dia hola-pery ihany izany, ary hambaran’ny mpisorona hoe madio ilay olona.


dia hozahan’ny mpisorona izany. Raha hitany fa mandoaka hoditra ilay pentina sady efa niova ho fotsy ny volo eo, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ny faritra may izany; ka hambaran’ny mpisorona hoe maloto ilay olona, fa aretina miendrika habokana izany.


Hozahan’ny mpisorona izy amin’ny andro fahafito; ka raha hitany fa manitatra tokoa ilay pentina teo amin’ny hoditra, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa aretina miendrika habokana izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra