Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jona 3:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy ka tsy nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Rehefa hitan’Andriamanitra ny fihetsik’ireo Ninivita izay niala tamin’ny toetra ratsiny, dia niova fanapahan-kevitra Izy ka tsy nampihatra ny loza izay nolazainy hamelezany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny làlan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary rehefa hitan'Andriamanitra ny nataon'ireo ny amin'ny nialany tamin'ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin'ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 3:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary nirahin’Andriamanitra hankany Jerosalema ilay anjely mba handringana azy; saingy, raha iny nandringana tao iny ilay anjely, ny TOMPO kosa nijery ka nanenina ny amin’izany loza izany sady niteny tamin’ilay anjely mpandringana hoe: –Aoka izay! Aketraho ny tananao ankehitriny! Tamin’izay ity anjelin’ny TOMPO dia nitsangana teo anilan’ny famoloan’ilay Jebosita atao hoe Araonà.


Dia najanon’ny TOMPO tamin’izay ny loza nolazainy hamelezana ny vahoakany.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


Na izany aza, mbola miandry fotoana ny TOMPO hahazoany miantra anareo, mbola hirotsaka an-tsehatra Izy hamindra fo aminareo, satria Andriamanitra mitandro ny marina ny TOMPO; sambatra izay rehetra miandry Azy.


Indraindray dia milaza ny hanongotra sy hanjera ary handrava firenena iray na fanjakana iray Aho.


Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.


Angamba hahatakatra ny fikasàko handefa loza aminy ny olon’i Joda, ka samy hiala amin’ny fitondrantena ratsiny, dia havelako ny heloka amam-pahotany.»


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Aza ny fitafianareo ihany no triatriarina fa ny fonareo indrindra no ovay.» Miverena amiko TOMPO Andriamanitrareo: Fa miantra sy mamindrafo Izy mahari-po sady be fitiavana ary mamoy ny loza nandrahonany.


Dia niova hevitra tokoa ny TOMPO ka dia IZY mihitsy no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Ary niova hevitra tokoa ny TOMPO; ka dia Izy Tompo ANDRIANANAHARY no niteny hoe: «Tsy hisy izany.»


Koa Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, dia ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahafantatra akory ny mahasoa azy, mbamin’ireo biby fiompy tsy tambo isaina?


Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.


Amin’ny andro fitsarana, dia hitsangana manoloana ny olona ankehitriny ireo mponina tao Ninive ka hanameloka azy; fa niala tamin’ny toe-dratsy ireo mponina tao Ninive nony nandre ny toritenin’i Jônà! Indro anefa misy mihoatra noho i Jônà eto!


Dia lasa tokoa izy nody any amin-drainy. Raha mbola lavitra ny trano ilay zatovo, dia tazan-drainy. Onena azy tokoa irainy ka nihazakazaka nitsena, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra