Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jona 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin’ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; nanidy ahy mandrakizay ny hidin’ny tany; nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Ianao, RY TOMPO Andriamanitro!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin’ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Tafalentika hatrany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; ny hidin’ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay. Kanjo Ianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka, ry Iaveh Andriamanitro ô!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Tafalatsaka tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 2:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Nony farany, nitsangana ny levita mpisorona ka nitsodrano ny vahoaka; ary nohenoin’Andriamanitra ny tonombavak’ireo satria tafapaka tany an-danitra izay fonena-masiny.


–Ny TOMPO anefa dia ao amin’ny Tempoliny masina sady eo an-tsezafiandrianany any an-danitra. Arahiny maso ny olombelona ka indray mijery dia voatombany.


Loarako eo anatrehany ny tarainako, ambarako eo anatrehany ny fahoriako.


Tsaroako izany andro fahiny; sainiko avokoa ny nataonao, eritreretiko ny asa vitanao.


toy ny fatotra ahodidina ahy ny fonenan’ny maty, toa harato amandrihana ahy ny fahafatesana.


Fantatro izao ankehitriny fa ny TOMPO manome fandresena ny mpanjaka nohosorany; avy any an-danitra toeramasiny no amaliany ny vavaka ataony, ka ny herin’ny tanany ankavanana no anolorany fandresena ho azy.


Misanasana vava hamely ahy ireny, mova tsy liona mandrotika sy mierona.


Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon’ny TOMPO eto amin’ity tany iainantsika ity?


Ny fandatsalatsàny ahy dia toa mahatorotoro ny taolako, noho izaho ilazany foana hoe: «Aiza ity Andriamanitrao?»


Hontsa tokoa aho mahatsiaro ny fahiny fony aho niaraka tamin’ny besinimaro nandroso nankao an-tranon’Andriamanitra, ombàn’ny feo fihobiana sy fiderana redonim-bahoaka indray mankalaza.


Nahoana re aho no mitanondrika sy mitoloko toy izao ato anatiko? Aoka Andriamanitra no hitokiako! Eny, mbola hoderaiko hatrany Izy, dia ilay Mpamonjiko sady Andriamanitro!


samy vesaran’ny heloka vitany. Ny hadisoanay tsy zakanay; Ianao kosa no mikosoka azy.


Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.


Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony! Raha misy mandeha amin’ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, aoka izy hitoky sy hiankina amin’ny TOMPO Andriamaniny!


Natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao an-kibon’ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman’onjanao.


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.


Ny TOMPO kosa ao an-tempoliny masina; aoka hangina eo anatrehany ny mponin’ny tany tontolo!


Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.


Mafy ny fahoriam-panahy nahazo an’i Davida, fa niara-nioko hitora-bato azy ny olona satria samy nalahelo mafy izy ireo nieritreritra ny zanany lahy sy ny zanany vavy avy. Na izany aza dia nankahery tena i Davida, noho ny amin’ny TOMPO Andriamaniny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra