Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 8:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Efa lasa ny fararano ary efa tapitra ny fotoam-pijinjana, nefa tsy mbola misy famonjena ho anay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Efa lasa ny fararano ary efa tapitra ny fotoam-pijinjana, nefa tsy mbola misy famonjena ho anay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Lasa ny fararano, tapitra ny fampakaram-bokatra nefa isika ity tsy mbola voavonjy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Lasa ny fararano, Tapitra ny taom-piotazana, Nefa tsy voavonjy isika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Lasa ny fararano, tapitra ny taom-piotazana, nefa tsy voavonjy isika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 8:20
7 Rohy Ifampitohizana  

Izay manangom-batsy amin’ny fararano dia olo-misaina; fa izay matory amin’ny fotoam-pijinjana kosa tebahina.


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!


Rehefa nitsangana nanidy varavarana ny tompon-trano no ianareo mbola any alatrano, dia handondòm-baravarana ianareo hanao hoe: «Mba vohay izahay, tompoko ô!» Fa hovaliany hoe: «Tsy fantatro izay fiavianareo.»


Hofongorana tanteraka ianao sy ny mponina ao anatinao ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao, noho ianao tsy nahalala ny andro notendren’Andriamanitra hamangiana anao!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra