Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 6:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nametrahako mpitily teo aminy, hampaneno ny anjomara fanairana. Kanefa hoy izy hoe: «Tsy ahoanay izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary nasiako mpitily teo aminareo hiteny hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nametrahako mpitily teo aminy, hampaneno ny anjomara fanairana. Kanefa hoy izy hoe: «Tsy ahoanay izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 «Nametraka mpitily teo anilanareo Aho: Ka tandremo ny feon’ny anjomara!» Kanjo namaly izy nanao hoe: «Tsy hotandremanay izany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary nasiako mpitily hianareo hanao hoe: Henoy ny feon’ny anjomara! Nefa hoy hianareo: Tsy hihaino izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary nasiako mpitily ianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy ianareo: Tsy hihaino izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:17
19 Rohy Ifampitohizana  

Hafatra momba an’i Domà. Nisy niantso ahy avy ao Sehîra hoe: «Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?»


Jamba avokoa ireo mpiahy ny vahoaka Israely ka samy tsy mahalala na inona na inona. Alika moana izy rehetra ka tsy mahavòvò, fa manonofy fotsiny sy mitsotsotra satria ny matory no tiany.


Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina eny ambonin’ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: «Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!


Kanjo nifikitra tamin’ny ditram-pony sy ny firehan-dratsiny izy ka namaly hoe: «Mamoiza! Izay efa tapakay ihany no hataonay.»


Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.


Koa henoy àry izao, ry firenen-kafa, fantaro tsara izay hanjo azy.


Koa ambarao aminy hoe: «Ianareo no firenena tsy mba mihaino ny feon’ny TOMPO Andriamaniny sady tsy mety mandray anatra. Efa very teo aminareo ny toetra mahatoky ary efa niala teo am-bavanareo izany.»


Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.


Fa ny Israelita kosa tsy hanaiky hihaino anao satria tsy te hihaino Ahy izy, fa olona mafy loha sady be kirina izy rehetra.


Tsofy ny anjomara, fa ho toy ny voromahery ny fiantefan’ny loza amin’ny tanin’ny TOMPO. «Satria nandika ny fanekempihavanako ireo olon’i Israely ireo, hoy Izaho TOMPO, ary nanohitra ny fampianarako.


Hipetraka maharitra eo amin’ny fiambenako aho ary hiandry toy ny mpitily eo amin’ny manda mba hahitako izay holazain’Andriamanitra amiko sy hahafantarako izay havaliny ny fitarainako.


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.


Manoava an’ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, ka maneke azy. Fa ireo no miambina hatrany ny fanahinareo, toy ny olona mbola hampamoahin’Andriamanitra ny amin’izany. Raha manoa ianareo, dia amin’ny hafaliana no hanaovan’ireo ny raharahany; fa raha tsy manoa ianareo, dia amin’ny fisentoana no hanaovany azy ka tsy hahasoa anareo izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra