Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 52:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa ny fahatezeran’NY TOMPO no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ka nandroahany azy tsy ho eo anatrehany. Ary nikomy tamin’ny mpanjakan’i Babilona i Zedekia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary noho ny fahatezeran’i Iaveh no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy i Jodà, mandra-panariny azy, tsy ho eo anatrehan’ny tavany. Ary i Sedesiasa dia nidina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa ny fahatezeran’i Jehovah no nahatongavan’izany tamin’i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin’ny mpanjakan’i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa ny fahatezeran'i Jehovah no nahatongavan'izany tamin'i Jerosalema sy ny Joda ambara-pandroakany azy tsy ho eo anatrehany. Ary Zedekia niodina tamin'ny mpanjakan'i Babylona.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 52:3
19 Rohy Ifampitohizana  

Indro roahinao hiala eo amin’ny tany mahavokatra aho ankehitriny, ka tsy maintsy hiery lavitra Anao; ho mpitsoa-ponenana sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany aho, ka izay rehetra mahita ahy dia hamono ahy ho faty!


Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.


Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Dia vinitra tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanaisotra azy tsy ho hitan’ny masony. Ny fokon’i Joda ihany no sisa tafajanona.


Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.


Farany dia nesorin’ny TOMPO ho lavitra ny fanatrehany mihitsy ireo, araka ny nambarany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra mpanompony; ka voababo lavitry ny taniny tokoa izy ho any Asiria izay mbola misy azy mandraka ankehitriny.


Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany.


Nikomiany aza i Nebokadnetsara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra. Nanamafy hatoka sy fo izy mba tsy hiverenany amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Aoka hozahanao ny boky mirakitra ny tantaran-drazanao; dia ho hitanao sy ho fantatrao fa tanàna nikomy hatrany io tanàna io.


Rehefa mikorontana ny tany, dia maro mpitondra mifanolosolo. Fa manjaka kosa ny filaminana noho ny olona iray manan-tsaina sy mahay.


Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.


Kanefa ny Ejiptianina dia hatolotro eo an-tanan’ireo tompo maherisetra; ary mpanjaka masiaka no hanapaka azy.» Izany no teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Fa indro ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao manaisotra amin’i Jerosalema sy amin’i Joda ny andry aman-tohana isan-karazany iankinany: dia ny mofo sy ny rano izay tohan’aina,


Noheveriko fa vitan’ny kobaka am-bava ny anao ny tetika sy herim-po hoenti-miady! Koa iza no itokianao mba sahy mikomy amiko izato ianao?


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraîma.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra