Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 50:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Fa indro, hanaitra sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babilona Aho; ary ireo dia hilahatra hamely azy, koa avy ao no hahazoany azy; ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay ny zana-tsipìkany ka tsy miverina foana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Fa firenena lehibe manao andiany no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna. Ho tonga avy any avaratra ireny ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy. Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany fa ho toy ny miaramila zatra ady ka tsy hiverim-potsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, Ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, Izay tsy miverina foana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an'i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:9
20 Rohy Ifampitohizana  

Teo anoloan’ny ran’ireo Filistinina nitsitra, ny tsipîkan’i Jônatàna tsy mba nihemotra; teo anoloan’ny hatomadin’ireo fahavalo mahery fo, ny sabatr’i Saoly tsy niveri-maina.


Mirongo sabatra avokoa ireo sady efa voasedra hiady. Misakelika ny sabany avy izy hiatrehana fanairana amin’ny alina.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


Avy any avaratra no napoitrako ity lehilahy anankiray, ka dia tonga tokoa izy; avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro no hanononana ny anarany. Dia hanosihosy ny mpitondra toy ny fanosy fotaka izy, na toy ny fanaon’ny mpanefy mihosihosy tanimanga.


Hampanompoiko ny fahavalonao ianao any amin’ny tany tsy fantatrao; fa mipoitra ny afom-pahatezerako ka handoro anao no irehetany.


Anjaran’ny Babilônianina kosa amin’izay ny hanompo firenen-dehibe sy mpanjaka mahery. Havaliko azy ny ratsy rehetra nataony.


–ireo mpanjaka rehetra any avaratra, na ny lavitra na ny akaiky. Izany hoe ny fanjakana rehetra teto amin’izao tontolo izao, manerana ny velaran-tany, dia samy tsy maintsy nisotro tsirairay tamin’izany tsangambava feno ny divaim-pahatezeran’ny Tompo izany; ary ny mpanjakan’i Sesàka no nisotro namarana azy.


Ianareo rehetra mpitifitra amin’ny tsipîka, milahara manodidina an’i Babilôna. Amelezo azy ny zana-tsipîkanareo ka aza tsitsîna mihitsy satria meloka eo anatrehan’ny TOMPO izy.


Tafiho ny tanin’i Merataîma! Tafiho izy sy ny mponina ao Pekôda. Vonoy ho faty ireo ka aringano hatramin’ny olona farany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Tanteraho izay rehetra voadidiko!


Hatrany am-paran’ny tany, avia avokoa ianareo rehetra hamely azy. Sokafy ny fitehirizam-bokany ka avangongoy ho antonta iray ny remby; fa aringano tanteraka ny tanàna: aoka tsy hisy tavela intsony!


Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka, dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka, ka vorio hamely an’i Babilôna. Aoka ireo hitoby manodidina azy ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala. Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa no mba ampiharo aminy kosa! Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO, dia tamin’ilay Masin’i Israely.


Fa misy firenena iray avy any avaratra miakatra hamely an’i Babilôna, ka hanova ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; fa na olona na biby fiompy dia samy lasa nitsoaka avokoa.


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra