Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 5:24 - DIEM PROTESTANTA

24 fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 ary tsy miteny anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika izay mandatsaka ranonorana, dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy; ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 fa tsy mba miteny anakampo hoe: «Aoka hananantsika fanajana ny TOMPO Andriamanitsika, fa Izy no nanome antsika ny orana amin’ny fotoany, dia ny oram-pararano sy ny oran-dohataona ka mitahiry ho antsika ireo herinandro izay voatendry ho fotoam-pijinjana.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Fa tsy mba manao anakam-po hoe: Aoka isika hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika, izay mandatsaka ny ranonorana, dia ny loha orana sy ny fara orana, amin’ny fotoany avy, sady mitandrina ho antsika ireo herinandro voatendry ho fararano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, Izay mandatsaka ranonorana, Dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an'i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin'ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin'ny fararano dia tandremany ho antsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:24
27 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola tany koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana mihitsy ny famafazana sy ny fijinjana, ny hafanana sy ny hatsiaka, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»


Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy, ary toy ny mitanatana vava miandrandra ny oran-dohataona.


Iza no manam-pahaizana mahaisa ny rahona? Iza no mampitotongana ireo siniben-drano any an-danitra, hampitosaka ranonorana mivatravatra


Izy no mampilatsaka ny orana ambonin’ny tany ary mampandeha ny renirano hanondraka ny saha.


Izy no manaron-drahona ny lanitra manomana orana ho an’ny tany, mampitsiry ahitra ny tanety, mamokatra anana ho an’ny olona,


Noho ireo famantarana ataonao, dia mitolagaga ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany; na tatsinanana na tandrefana dia entaninao hihorakoraka hihoby.


Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan’ny tananao izahay rehetra.


Baikony no mampitoby ny ranobe any an-danitra any sy mampiakatra ny rahona matevina avy any am-paravodilanitra, ary andatsahan’ny tselatra ny ranonorana sy ivoahan’ny rivotra avy amin’ny fitoerany.


Moa misy mahalatsaka orana ve ny sampin’ireo firenen-kafa? Moa ny lanitra va mampirotsaka oram-baratra fa tsy Ianao, ry TOMPO Andriamanitray? Koa mitoky aminao izahay satria Ianao no manao ireo rehetra ireo.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.


Tsy mba atahoranareo akory ve Izaho TOMPO? Tsy mba mangovitra eo anatrehako ve ianareo? Izaho anefa no nametraka ny fasika ho fefin’ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy hihoarany: na dia misamboaravoara mafy aza izy dia tsy mahavaky izany fefy izany; na dia mirohondrohona be aza ny onjany, dia tsy afaka mihoatra azy.


Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.


Aorian’izany ny Israelita dia hitady indray ny TOMPO Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, ka hiverina amin-kovitra amin’ny TOMPO sy ireo zava-tsoany amin’ny hoavy.


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Ary ianareo, ry mponin’i Tsiôna, miravoravoa sy mifalia amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny oram-pararano sahaza no omeny anareo; alatsany aminareo toy ny fahiny koa ny ranonorana mivatravatra, dia ny oran-dohataona sy ny oran-dririnina.


Izaho mihitsy no efa nampihantona ny orana tsy ho eo aminareo, raha mbola telo volana mialoha ny fararano. Ka tamin’ny tanàna anankiray nandatsahako orana, fa tamin’ny tanàna iray kosa tsy nandatsahako; ny saha anankiray nilatsahan’ny orana, fa ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.


Mangataha amin’ny Tompo handefasany ranonoran-dohataona fa Izy no manao ny oram-baratra; dia homeny oram-be mivatravatra ianareo ary samy hataony maitso mavana ny sahanareo


mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.


kanefa tsy navelan’Andriamanitra tsy hanana vavolombelona manambara Azy ny tenany amin’ny fanasoavana anareo: fa Izy no mandatsaka ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo hampahavokatra ny tany ara-potoana ary manome hanina anareo hameno fifaliana ny fonareo.


Hovohan’ny TOMPO ho anareo ny lanitra izay itahirizany rano sarobidy, mba handatsahany orana ny taninareo amin’ny fotoanandrony ary hitahiany ny asa rehetra ataonareo. Ianareo tsy mba hisambotra vola mihitsy, fa firenena maro kosa no hampisamborinareo.


Koa mahareta tsara àry, ry havana, mandra-piavin’ny Tompo. Jereo ny mpamboly miandry amim-paharetana izay vokatra sarobidy havoakan’ny tany, ka maharitra mandra-pahazony ny oram-pararano sy ny oran-dohataona.


Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr’Andriamanitra; sady manam-pahefana amin’ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra