Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 46:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 fehezo amin’ny kalesy fitondra miady ny soavaly ary itaingeno ny soavaly fitaingina; mijoroa tsara ianareo ka samia misatroka fiarovan-doha; fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Ataovy amin’ny kalesy ny soavaly; Miakara ambony soavaly ianareo mpitaingina azy! Ianareo misatroka fiarovan-doha, milahara! Fotsio ny lefona, iakanjoy ny fiarovan-tratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fehezo amin’ny kalesy ny soavaly, Ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara hianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, Miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fehezo amin'ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.


Tamin’izany andro izany, dia hoy koa aho tamin’ny vahoaka: –Samia mitoetra eto Jerosalema ianareo mbamin’ny mpanomponareo mba hiambina antsika raha alina ary hiasa raha antoandro.


Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.


Ambarao any Ejipta ny vaovao ary ampandreneso ao Migdôla sy ao Memfisa ary ao Tahapanehesa, ka ataovy hoe: «Mivonòna hiady ary miomàna, fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao.»


Nikasa handrava an’i Babilôna ny TOMPO, ka mampirisika ny mpanjakan’i Medianina hanatanteraka izany. Famaizan’ny TOMPO azy izany, famaizana noho ny amin’ny tempoliny masina. Koa ranito ny zana-tsipîkanareo, ary fenoy ny tranon-jana-tsipîka.


–Aoka tsy hanenjan-tsipîka intsony ao Babilôna ireo mpitifitra amin’ny tsipîka! aoka izy tsy hisalotra intsony ny akanjo vy fiarovan-tratra!– Aza avela hisy ho afa-mitsoaka ny tovolahiny; ataovy ringana ny tafiny manontolo!


Hihevitra ny olona ao Jerosalema fa tsy misy dikany ny sikidy satria voaaron’ny fianianana natao izy. Nefa ny mpanjakan’i Babilôna dia hampahatsiaro azy ny fivadihany ka mampandre fa hoentina ho babo ireo.


Nomen’i Saoly hanaovan’i Davida ny fitafiany fentiny miady dia ny satroka varahina aro loha izay napetrany teo an-dohan’i Davida, ary akanjo varahina aro tena.


satroka varahina aro loha sy fonon-dranjo varahina no nanaovany, ary akanjo misy kirana varahina milanja 60 kilao no aro tena teny aminy. Nisamboady lefom-barahina izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra