Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 44:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an’ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrôsa, dia namaly an’i Jeremià hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ny tany Ejipta, tao Patrosa, dia namaly an’i Jeremia hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Ireo lehilahy rehetra izay nahalala fa manolotra zava-manitra mifangaro ho an’ireo andriamani-kafa ny vadiny, ary koa ireo vehivavy rehetra izay tafangona nanao fivoriam-be teo, izany hoe ireo olona rehetra izay nipetraka tany Ejipta tao Patrôsa, dia namaly an’i Jeremià hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Tamin’izay namaly an’i Jeremia ny lehilahy rehetra, nahalala fa efa nanatitra emboka manitra tamin’ireo andriamani-kafa, ny vadiny sy ny vehivavy rehetra tafavory teo amin’ny fivoriam-be ary ny vahoaka rehetra nitoetra tany amin’ny tany Ejipta tao Fatoresa, ka nanao hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an’andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin’ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an’i Jeremia hoe:

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny lehilahy rehetra, izay nahalala fa ny vadiny efa nandoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa, sy ny vehivavy rehetra izay nitsangana teo, dia vahoaka be dia be, ary ny olona rehetra izay nonina tany amin'ny tany Egypta, tao Patrosa, dia namaly an'i Jeremia hoe:

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 44:15
14 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha tsy mbola nandry akory ireo, dia efa voahodidin’ny lehilahy tao an-tanànan’i Sôdôma ny trano; teo avokoa na ny antitra na ny tanora, tsy nisy avakavaka.


–Tsy izany ve no nanotan’i Salômôna mpanjakan’i Israely? Kanefa tsy nisy mpanjaka tahaka azy, teo amin’ny firenena maro. Fa notiavin’Andriamanitra izy ka nataony ho mpanjakan’i Israely manontolo; kanjo, na dia izy aza, dia nampanotain’ny vehivavy hafa firenena.


Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.


Aiza indray àry no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin’ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.


Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»


Nisy hafatra tonga tamin’i Jeremià ho an’ny Jodeanina rehetra izay nonina tany Ejipta tao an-tanànan’i Migdôla sy i Tahapanehesa sy i Memfisa ary tao amin’ny faritanin’i Patrôsa. Ka hoy i Jeremià taminy:


Dia nanampy koa ireo vehivavy ka nanao hoe: –Ary raha nanolotra zava-manitra mifangaro ho an’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra izahay, moa tsy neken’ny vadinay ve izany? Fantany tsara fa manao mofo maneho ny sariny izahay sady manolotra fanatitra divay ho azy.


Ary hoy koa i Jeremià tamin’ny vahoaka rehetra teo, indrindra tamin’ny vehivavy rehetra teo: «Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo Jodeanina rehetra atỳ Ejipta.


Hatsahatro izay manjo ny Ejiptianina, ka haveriko any Ejipta ambony tany niaviany izy, ary hanorina fanjakana osaosa any;


Hosimbako i Ejipta ambony, hodorako amin’ny afo ny tanànan’i Tsôhàna ary hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana ny tanànan’i Nao.


–Midira amin’ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin’ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;


Mety misy aminareo hotaomin’ny mpiray tampo na zanaka na vady na sakaiza tsy foy, ka hataony hoe: «Andeha isika hanompo andriamani-kafa!» Tsy fantatrareo na ny razambenareo ireny andriamani-kafa ireny,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra