Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 42:14 - DIEM PROTESTANTA

14 fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 fa miteny hoe: Tsia; hankany amin’ny tany Ejipta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ny anjomara na hahitanay mosary, ka any no honenanay,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 fa handeha any Ejipta mba tsy hahita ady sy tsy handre ny feon’ny anjomara ary tsy ho faty mosary intsony, dia hipetraka any!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 raha hoy ianareo: Tsia, fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon’anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin’ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon’ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin'ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon'ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 42:14
15 Rohy Ifampitohizana  

ka nanao taminy hoe: –Inay anie izahay mba novonoin’ny Tompo ho faty tany Ejipta, fony izahay nanodidina ny vilanin-kena iny, ka nihinana araka izay lany! Fa izao dia nentinareo ho faty noana atỳ an-taniefitra atỳ izahay rehetra!


Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?


fa mamaly hoe: «Tsia, fa hiriotra izahay, hiriotra mitaingin-tsoavaly izahay.» Koa hitaingin-tsoavaly tokoa ianareo, saingy hitsoaka handositra. Hoy koa ianareo hoe: «Haingam-pandeha ny kalesy hitaingenanay.» Eny, kanefa ireo mpanenjika anareo dia vao mainka ho haingam-pandeha kokoa.


Tsy manontany Ahy akory ianareo nefa mandeha midina any Ejipta mba hitady fiarovana amin’ny Farao sy fialofana eo ambany alok’i Ejipta.


Lozan’izay midina any Ejipta mba hitady famonjena! Ny soavaly no ianteherany; ny kalesy no itokiany satria maro ireny; ary ny mpitaingin-tsoavaly no antenainy, satria mahery tokoa ireny; fa tsy andrandrainy akory ilay Masin’i Israely ary tsy anontaniany mihitsy ny TOMPO.


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Mandra-pahoviana no mbola hijereko ireo faneva famantarana ady sy handrenesako ny feon’ny anjomara?


Ary nandeha izy rehetra ka nijanona nitoby tao Kimehàma akaikin’i Betlehema. Fa nikasa hankany Ejipta izy,


Tsy nihaino ny feon’ny TOMPO ireo, fa lasa nankany Ejipta, ary tonga hatrany Tahapanehesa.


Fa nahoana isika no nentin’ny TOMPO ho lavon-tsabatra amin’ny tany toy izany? Ho lasan-ko babo avokoa ny vady aman-janatsika; koa tsy aleontsika ve miverina indray any Ejipta?


Dia nifampilaza izy ireo nanao hoe: –Aoka isika hanendry mpitarika, dia hiverina any Ejipta!


Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!


Kanefa aoka ny mpanjakanareo tsy hanana soavaly maro na handefa olona handevozina any Ejipta indray mba hahazoany soavaly maro, satria ny TOMPO efa niteny taminareo hoe: «Aza miverina amin’izany lalam-panandevozana izany intsony!»


dia tsy hety hamela heloka izany olona izany ny TOMPO; fa hanetroka aminy kosa ny fahatezeran’ny TOMPO sy ny fahasarota-piarony, ary hiafitra aminy avokoa ny ozona rehetra izay voasoratra amin’ity boky ity, ka hovonoin’ny TOMPO tsy ho eo amin’izao tontolo izao ny fahatsiarovana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra