Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 4:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Noho izany dia hisaona ny tany ary ho tonga mainty ny lanitra ambony satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Noho izany, dia misaona ny tany ary mihamaizina ny lanitra any ambony. Satria Izaho no efa niteny; ka tsy hanova ny fanapahan-kevitro Aho na hihemotra amin’izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Noho izany ny tany misaona, ary ny lanitra any ambony mihamainty, satria efa nolazaiko sy nokasaiko izany, ka tsy hanenenako na hitsoahako intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Noho izany dia hisaona ny tany, Ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, Satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany Ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Noho izany dia hisaona ny tany, ary ho tonga mainty ny lanitra ambony, satria efa niteny izany Aho, sady efa nikasa izany ka tsy hanenina na hanatsoaka izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 4:28
34 Rohy Ifampitohizana  

«Misaona sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, milofika miaraka amin’ny tany koa ny habakabaka any ambony any.»


Ny andian-tafiky ny kintana dia ho potika hiraraka avokoa; hihorona toy ny horonan-taratasy ny habakabaka; ary toy ny fihintsan’ny ravim-boaloboka maina na toy ny fihintsan’ny ravin’aviavy malazo no hihintsanan’ny planeta aman-kintana.


Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon’ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin’ny zavona matevina ny fahazavan’ny andro.


Azoko atao ihany koa ny mandrakotra mainty ny lanitra ka mampitafy azy lamba fisaonana.


dia taniefitra lao mahonena ahy. Lao sy rava ny tany manontolo, kanefa tsy misy olona mitsetra azy.


Mandra-pahoviana no hisaona ny tany ary ho maina ny ahitra eny an-tsaha rehetra eny? Ringana avokoa ny biby sy ny voromanidina noho ny faharatsian’ny mponina eo amin’ny tany, satria hoy izy hoe: «Tsy mahita izay ataontsika Andriamanitra.»


Misaona ny vahoakan’i Joda, simba ireo tanàn-dehibeny; manjombona sy mipetraka amin’ny tany izy. Misandratra hatrany an-danitra ny fitarainan’i Jerosalema.


«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.


Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.


Tsy hitsahatra mirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO, raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka izay fandaharan-javatra notapahiny. Amin’ny andro any aoriana any vao tena ho takatrareo izany.


Atsangano ny fanevam-panairana hanafihana ny mandan’i Babilôna. Hateveno mafy ny fiambenana ka apetraho ny mpiambina sy ny mpitily. Tanteraky ny TOMPO izao ny fikasany, dia izay efa nambarany momba ny mponin’i Babilôna.


Ianao kosa, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na mampakatra fitarainana sy fifonana ho azy, fa tsy hihaino anao Aho.


Nataon’ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan’ny mpandrafy anao.


Izaho TOMPO no miteny, ka ho tonga izany ary hampihariko tsy misy fisalasalana na nenina na indrafo. Araka ny toetranao sy ny asanao no hanamelohana anao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.


Noho izany, fadiranovana ny tany; reraka ny mponina rehetra ao mbamin’ny biby eny an-tsaha sy ny voromanidina; ary na ny trondron-dranomasina aza dia ringana koa.»


Simba ny saha, misaona ny tany fambolena; satria levona ny vary, maina ny voaloboka ary malazo ny ôliva.


Izao manko no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy, dia nihevitra hahatonga loza aminareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao ka tsy nisalasala nanatanteraka izany.


Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na taranak’olombelona ka hanenina. Izay nolazainy dia hoefainy; izay nampanantenainy dia hotanterahiny.


Hatramin’ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany.


Tamin’ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany.


Tamin’ny mitataovovonana teo ho eo, dia takona ny masoandro ka rakotra haizina ny faritany manontolo ary naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany. Nitriatra nizara roa kosa ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina tao an-tempoly.


Tafaray amin’i Kristy izahay ka tonga anjara lovan’Andriamanitra; satria natokany rahateo izahay, fa izany no fandaharan’Ilay manao ny zavatra rehetra araka izay efa nokasain’ny sitrapony.


Dia nampahafantarin’Andriamanitra antsika ilay tsiambaratelon’ny sitrapony, araka ny safidy noheveriny hotontosaina ao amin’ny Zanany.


Fa i Jesoa nombàm-pianianana no tonga Mpisorona, fony Andriamanitra nilaza taminy hoe: «Efa nianiana ny Tompo ka tsy hivadi-bolana: ‹Ianao no Mpisorona mandrakizay.› »


Ary nijery aho rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahenina, ka nisy horohorontany mahery vaika; tonga mainty tahaka ny akanjo volon’osy ny masoandro; tonga mena tahaka ny ra ny volana manontolo;


Fa ny TOMPO, Ilay Herin’i Israely, dia tsy mba mandainga na miova hevitra. Tsy olombelona Izy ka hiova hevitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra