Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 37:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny tafiky ny Farao dia efa niainga avy tany Ejipta rahateo; koa raha nandre izany ny Babilônianina, izay teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema, dia nihataka kely niala an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ary efa niainga avy tany Ejipta ny miaramilan’i Farao ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’i Jerosalema, dia niala tao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny tafiky ny Farao dia efa niainga avy tany Ejipta rahateo; koa raha nandre izany ny Babilônianina, izay teo am-panaovana fahirano an’i Jerosalema, dia nihataka kely niala an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ny tafik’i Faraôna kosa efa nivoaka niala teny Ejipta; ary ny Kaldeanina nanao fahirano an’i Jerosalema, nony nandre izany, dia nanalavitra an’i Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan’i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an’ Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary efa niainga avy tany Egypta ny miaramilan'i Farao, ka raha nahare izany ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema, dia niala tany Jerosalema izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 37:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Tsy sahy nivoaka ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, satria lasan’ny mpanjakan’i Babilôna ny tany rehetra teo ambany fahefàn’i Ejipta hatreo amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony Eofrata.


I Tsedekià mpanjaka sy ireo mpiasam-panjakana ambony koa dia hatolotro ho eo an-tanan’ny fahavalo izay mitady hahafaty azy, dia ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna. Nisinda nihataka kely ankehitriny izany tafika izany;


Fa raha mbola nihataka an’i Jerosalema ny tafika babilônianina mba hidify ny tafiky ny Farao,


Ary nisy tenin’ny TOMPO ho an’i Jeremià mpaminany manao hoe:


«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: ‹Ny mpanjakan’i Joda izay naniraka anareo hanontany Ahy dia ilazao hoe: Ny tafiky ny Farao, izay efa niainga mba hamonjy anareo, dia niverina ilalana ka nody any Ejipta.


Kanjo ity mpanjaka vaovao nikomy tamin’ny mpandresy, ary nandefa iraka tany Ejipta mba hangataka soavaly sy miaramila marobe. Hahomby sy ho tafavoaka ve izy raha nanao izany? Tsy ho tafavoaka mihitsy izy, satria tsy nitandro fifanekena!


Ary na dia miaraka amin’ny tafika goavana vory marobe aza ny Faraon’i Ejipta dia tsy afaka hanampy azy hiaro tena rehefa manangana tovon-tany sy manao hady ho enti-mamono ireo vahoaka betsaka ny Babilônianina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra