Ny tafika babilônianina tamin’izay dia nanao fahirano an’i Jerosalema; ary i Jeremià mpaminany dia nogadraina tao an-dapan’ny mpanjakan’i Joda, tao an-kianja fiambenana.
Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.
Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»
Iraka mitondra izany Vaovao Mahafaly izany aho, na dia migadra aza ankehitriny; koa mivavaha ho ahy mba hilazako izany amim-pahasahiana, araka ny tokony hoteneniko.