Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 36:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nony avy nandre ny tenin’ny TOMPO rehetra izay novakin’i Baròka tao amin’ny horonan-taratasy i Mikaià, zanakalahin’i Gemarià sy zafikelin’i Safàna,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Nony ren’i Mika, zanak’i Gemaria, zanak’i Safana, ny tenin’NY TOMPO rehetra tamin’ny boky,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nony avy nandre ny tenin’ny TOMPO rehetra izay novakin’i Baròka tao amin’ny horonan-taratasy i Mikaià, zanakalahin’i Gemarià sy zafikelin’i Safàna,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Nandre ny tenin’i Iaveh rehetra, tao amin’ny boky, i Mikea zanak’i Gamariasa zanak’i Safàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary nony ren’i Mikaia, zanak’i Gemaria, zanak’i Safana, ny tenin’i Jehovah rehetra tamin’ny boky,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 36:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Jôsià mpanjaka no nanirahany an’i Safàna mpitantsoratra zanakalahin’i Atsalià ary zafikelin’i Mesolama ho any an-tranon’ny TOMPO sady nilazany hoe:


Namela ampahan’ny vahoaka tao amin’ny tanin’i Joda ihany i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna; ka notendreny hifehy ireo olona ireo i Gedalià zanakalahin’i Ahikama sady zafikelin’i Safàna.


ary nomeny baiko i Hilkià, sy i Ahikama zanakalahin’i Safàna, ary i Habdôna zanakalahin’i Mikà mbamin’i Safàna mpitantsoratra sy i Hasaià mpandraharahany ka nilazany hoe:


Fa i Jeremià kosa narovan’i Ahikama zanakalahin’i Safàna ka tsy nisy sahy nanolotra azy ho eo an-tanan’ny vahoaka mba hovonoina ho faty.


Koa teo imason’ny olona rehetra vory tao an-tranon’ny TOMPO no namakian’i Baròka mafy ny hafatr’i Jeremià voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy. Teo amin’ny efitrano natokana ho an’i Gemarià, zanakalahin’i Safàna izay mpitantsora-panjakana taloha, no nakany toerana fa io efitra io dia teo an-kianja ambony, akaikin’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.


Notantarain’i Mikaià azy ny teny rehetra reny avy fony i Baròka namaky mafy teo anatrehan’ny olona rehetra ny hafatra voasoratra tao amin’ny horonan-taratasy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra