Jeremia 33:16 - DIEM PROTESTANTA16 Amin’izay dia ho afaka ny fanjakan’i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin’i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an’i Jerosalema dia hoe ‹Ny TOMPO no fahamarinantsika.› » Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Amin’izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary handry fehizay i Jerosalema; ary izao no hanononana azy: NY TOMPO no Fahamarinantsika. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Amin’izay dia ho afaka ny fanjakan’i Joda ary hiaina am-pilaminana ny mponin’i Jerosalema. Ka ny hiantsoana an’i Jerosalema dia hoe ‹Ny TOMPO no fahamarinantsika.› » Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena; ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika». Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Amin’izany andro izany dia hovonjena ny Joda, Ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika. Jereo ny toko |
«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
Ary any aoriana any, rehefa afaka taona maromaro, dia ianao no hasaiko maka an-keriny ny tanin’i Israely. Fa rehefa afaka tamin’ny ady ny mponina tao, dia niala tamin’ny firenena maro nielezany ary novorîna teo an-tendrombohitr’i Israely izay efa lao hatry ny ela. Fa rehefa navoaka avy tany amin’ireo firenen-kafa izy rehetra, dia niaina tamim-pilaminana.