Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 32:40 - DIEM PROTESTANTA

40 Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa mba tsy hialany Amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 Hanao fanekempihavanana mandrakizay aminy Aho ka tsy hampitsahatra ny fanasoavako azy, ary hataoko ao am-pony ny fanajana Ahy mba tsy hialany amiko intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

40 Hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, mba tsy hihatahako aminy tsy manao soa aminy intsony, ary halatsako ao am-pony ny fahatahorany Ahy, mba tsy hihatahany Amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 32:40
27 Rohy Ifampitohizana  

dia toy ny fahazavan’ny maraina raha miposaka ny masoandro amin’iny maraina tsy misy rahona iny. Ny tarany mafana mandimby ny orana no mampaniry ny ahitra amin’ny tany.»


Amin’izay dia tsy handao Anao intsony izahay; Ianao no hamelona anay indray ary hivavahanay.


Ny tany dia voaloton’ny mponina ao aminy fa nandika ny lalànan’ny Tompo ireny, tsy nanaraka ny fitsipika fa nivadika tamin’ny fanekempihavanana izay maharitra mandrakizay.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


Satria Izaho TOMPO dia tia rariny ka mankahala ny fandrobana an-kafetsena; homeko onitra ara-pahamarinana ianareo ary hanaovako fanekempihavanana mandrakizay.»


Homeko azy ny fo miaiky fa Izaho no TOMPO. Hiverina amiko amin’ny fony manontolo ireo; ka ho vahoakako izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny.


Tsy mila hanatona ny namany na mpiray tampo aminy intsony izy mba hampianatra ireny hahalala Ahy TOMPO; fa hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra dia samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa havelako ny fahadisoany ary tsy hotsarovako intsony ny helony.»


Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo, ka himasoany hizorana izany. Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana no hifamatorany mafy amiko TOMPO.


Homeko fo vaovao ianareo ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo. Hoesoriko aminareo ny fo tsy miraika toy ny vato ka hosoloiko fo mora anarina.


Ny Fanahiko mihitsy no hapetrako ao anatinareo, ka hataoko manaraka ny lalànako ianareo, ary hitandrina sy hanatanteraka ny fitsipiko.


Hanao fanekempihavanana aminareo Aho, dia fanekempihavanana haharitra mandrakizay. Hataoko miorim-ponenana eo ianareo ka hampitomboiko ny mponina ao aminareo; ary hampitoeriko eo anivonareo mandrakizay ny tempoliko.


Ny Fanahiko no hatosako amin’ny Israelita, ka tsy hiafenako tava intsony ireo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.


Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.


Ny TOMPO mihitsy no handeha eo alohanao, Izy no hiaraka aminao ary tsy handao anao na hahafoy anao; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.


Andriamanitra dia efa nitondra an’i Jesoa Tompontsika hiala amin’ny fahafatesana, i Jesoa Tompontsika Izay Mpiandry lehibe miahy ny ondry noho ny ra nafoiny ho antoky ny Fanekempihavanana mandrakizay.


Mbola namelan’Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin’ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin’izany.


fa maharitra mandrakizay kosa i Jesoa ka tsy ifandimbiasana ny fisoronany.


ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana lavorary rehetra dia avy any ambony, ka midina avy amin’Andriamanitra Ray, mpahary ny fanazavana eny amin’ny habakabaka, Ilay tsy manam-piovaovana ary tsy misy aloka avy amin’ny fihodinana.


dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana mba handray ny famonjena efa vonona haseho amin’ny andro farany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra