Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 31:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Hoy izy hoe: ‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.› ka hoy ny navaliko azy: ‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Avy any lavitra no nisehoan’NY TOMPO tamiko ka nitenenany hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hoy izy hoe: ‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.› ka hoy ny navaliko azy: ‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Niseho tamiko tany lavitra tany i Iaveh. Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao; izany no nampaharetako ny famindram-po aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Tany lavitra any no nisehoan’i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 31:3
28 Rohy Ifampitohizana  

Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao; noho ny fitiavany mandrakizay an’i Israely manko no nanaovan’ny TOMPO anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Fa ny fitiavan’ny TOMPO kosa dia hatrizay ka ho mandrakizay amin’ireo olona manaja Azy; ary ny fahamarinany hihatra amin’ny taranaka mandimby,


Tsarovy, TOMPO ô, fa hatrizay hatrizay dia be indrafo sy be fitiavana Ianao.


Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an’efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!


Satria sarobidy eo imasoko ianao, manan-danja amiko sady tiako. Koa nanome olona ho solonao Aho sy firenena maro ho takalon’ny ainao.


Ianareo kosa, ry vahoaka Israely, dia nandray famonjena mandrakizay avy amin’ny TOMPO. Tsy ho menatra na ho afa-baràka na oviana na oviana ianareo.


I Tsiôna nanao hoe: «Efa nandao sy nanadino ahy ilay ANDRIANANAHARY Tompo.»


«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»


Notahitahîko ny fitarihana azy tamin’ny mahazakam-pitiavana; ary ho azy Aho dia toy ny reny izay manainga ny zanany hatehika amin’ny takolaka sady niondrika namahana azy.


Hoy ny TOMPO taminareo vahoakany: –Tiako ianareo. Nefa nanontanianareo Izy hoe: –Aiza àry ny porofon’ny fitiavanao? Dia novalian’ny TOMPO an-teny hentitra hoe: –Tsy mpirahalahy va i Hesao sy i Jakôba? Nefa i Jakôba no tiako,


Izay voatendrin’Andriamanitra rahateo dia nantsoiny koa; izay nantsoiny dia nekeny ho marina koa; ary izay nekeny ho marina dia nomeny voninahitra koa.


Izany dia araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «I Jakôba no tiako, fa i Hesao nailiko.»


Kanefa ny razambenareo ihany no niraiketan’ny TOMPO hotiavina ka nifidianany anareo taranany mihoatra noho ny firenena hafa rehetra, araka izao hitanareo anio izao.


Dia hoy koa i Mosesy hoe: «Ry Jesoròna, tsy misy tahaka an’ilay Andriamanitrao! Heni-boninahitra sady mitaingina ny rahon’ny lanitra Izy mba ho tonga hamonjy anao.


Eny, tia ireo fokon’i Israely ianao, ry Tompo! Ambany fifehezanao avokoa ny olona voatokana ho Anao; miankohoka eo an-tongotrao ireo ka samy mandray ny teninao.


Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;


Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan’ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin’i Kristy Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;


Sitrapon’Andriamanitra Ray no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santa-bokatra atolotra Azy eo amin’ny samy zavaboaariny isika.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin’ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay


Tia isika, satria Andriamanitra no efa tia antsika mialoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra