Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 30:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Tsy misy olona mihevitra ny ferinao ho mbola mety hotsaboina; fa tsy misy fanafodiny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Tsy misy miaro anao amin’izay mahazo anao; tsy misy famehezana hitsaboana ny ferinao; ary tsy misy fanafody hanasitranana anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tsy misy olona mihevitra ny ferinao ho mbola mety hotsaboina; fa tsy misy fanafodiny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 tsy misy olona hisolo vava anao amin’ny adinao, mba hamehezana ny ferinao, tsy misy fanafody mahasitrana ho anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ny ferinao hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin'ny ferinao ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 30:13
25 Rohy Ifampitohizana  

Raha mangina Andriamanitra, zovy no hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, zovy no hahita Azy? Kanefa miahy ireo firenena sy ny olombelona rehetra Izy


Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery; ary ny tànany dia mety mandratra, raha manasitrana.


Dia nilaza Andriamanitra fa handringana azy; kanjo i Mosesy ilay voafidiny dia nanelanelana teo anatrehany ka nisakana ny hatezerany tsy hamongotra.


Raha reraka ato anatiko aho, dia fantatrao ny manjo ahy. Eo amin’ny lalana izorako no namelaram-pandrika hamely ahy.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo.


Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.


Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.


TOMPO ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy, fa antony hiderako Anao izany.


Satria ireo efa niantso anao hoe: «Ry ilay tsy misy ilana azy,» «ry Tsiôna tsy misy miahy akory», koa hositraniko ny ratranao ary hohamainiko ny ferinao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.».


«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana.


Ry Ejipta mahonena, miakara hatrany Gilehada ka makà balsama ho anao... Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.


Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.


Moa tsy misy balisama mampitony na dokotera ve any Gilehada? Nahoana no tsy mety sitrana ny ratran’ny fireneko?


Tsy haiko intsony izay holazaiko anao, ry Jerosalema mamiko; fa tsy misy azo anoharana izay manjo anao! Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Tsiôna mahonena? Midadasika toy ny ranomasina ny ratranao; ka tsy misy mahasitrana anao amin’izany.


Nokarohiko izay vonona hanangana ny manda na izay vonona hijanona eo amin’ny bangan’ny manda mba hifona eo anatrehako ho an’ny tany sy hisakana Ahy tsy handrava azy; nefa tsy nahita Aho.


«Ry ilay taranak’olombelona, nopotehiko ny sandrin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta. Tsy nisy nitsabo na nanome fanafody azy, tsy nisy namehy ny feriny mba hampody ny heriny hahatan-tsabatra indray.


Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»


Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.


Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra