Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 29:5 - DIEM PROTESTANTA

5 ‹Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Manaova trano ianareo ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly ka hano ny vokatra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 ‹Manorena trano ho anareo ka ipetraho; voleo ny tanimboly ka hano izay vokatra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Aoka ianareo hanorina trano, ka hitoetra aminy; hamboly zaridaina, ka hihinana ny vokany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Manaova trano hianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Manaova trano ianareo, ka mitoera aminy; ary manaova tanimboly, ka hano ny vokatra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 29:5
4 Rohy Ifampitohizana  

«Izao koa no lazain’ny TOMPO: ‹Rehefa naharitra fitopolo taona ny fanjakan’i Babilôna, dia hirotsaka an-tsehatra Aho noho ny aminareo; ka hotanterahiko ny soa nampantenaiko anareo: haveriko eto Jerosalema ianareo.


Koa hadisoanao mihitsy raha toa izy afaka nandefa taratasy tatỳ aminay atỳ Babilôna mba hilaza aminay fa hijanona maharitra ho babo atỳ izahay. Nasainy hanorina trano aza izahay mba hipetrahanay ary nasainy hamboly zaridaina mba hihinananay ny vokatra avy aminy.»


Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!


Ao izy no honina am-pilaminana ka hanorina trano sy hamboly voaloboka; eny, honina am-pilaminana izy satria hampiharako famaizana ireo rehetra manodidina azy ka nanao tsinontsinona azy. Amin’izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO Andriamaniny.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra