Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 23:39 - DIEM PROTESTANTA

39 dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

39 indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

39 dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

39 noho izany, Izaho kosa dia tena hanadino anareo mihitsy, sy hanary anareo tsy ho eo anatrehan’ny Tavako, dia ianareo mbamin’ny tanàna nomeko anareo sy ny razanareo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho Sady hanary anareo Mbamin’ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo Tsy ho eo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

39 Dia, indro, hanadino anareo tokoa Aho sady hanary anareo mbamin'ny tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo tsy ho eo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:39
30 Rohy Ifampitohizana  

Ary niala teo anatrehan’ny TOMPO i Kaina, ka nonina tao amin’ny tanin’i Nôda, any atsinanan’i Hedena.


Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.


Izany no nilazan’ny TOMPO hoe: –Hoesoriko tsy ho eo anatrehako tahaka ny nanesorako an’i Israely koa i Joda, ary hailiko ity tanànan’i Jerosalema nofidiko ity sy ny trano izay nolazaiko fa hipetrahan’ny voninahitro.


Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako.


Mamery tena izay manamavo ny teny; fa hahazo valisoa kosa izay manaja ny didy.


Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.


Izaho, eny, Izaho ihany no mampahery anao, hoy ny TOMPO. Ka inona no atahoranao ny olona mety maty, dia ny zanak’olombelona izay mihelina toy ny ahitra?


Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


Fa raha mbola teneninareo ihany ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», na dia efa nandrarako anareo aza,


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »


Fa ny fahatezeran’ny TOMPO no nahatonga izany loza izany tamin’i Jerosalema sy tamin’i Joda, ka niafara tamin’ny fandroahany an’ireo Jodeanina hiala teo anatrehany. Ary nikomy tamin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna i Tsedekià.


Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an’i Silao.


Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraîma.»


Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko.


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY amin’ny andianondriny: ‹Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia.


Koa hamafisiko indray fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin’i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanàna ho hitan’ny hafa firenena ny didim-pitsarako.


Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY no milaza amin’ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny amin’ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: «Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo.


Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»


Aringano na antitra na tanora, mbamin’ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin’ny Toeramasiko izany.» Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan’ny tempoly izy.


Ho ringana ny vahoakako noho ny tsifisian’ny fahalalana Ahy. Satria efa nandà ny fahalalana Ahy ianao, ka dia mba holaviko tsy ho mpisorona intsony. Nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko koa ny zanakao.


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin’ireo, ka tsy hifanatri-tava amin’ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra