Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 23:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary raha misy miteny ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka hoe: Ny enta-mavesatry NY TOMPO, dia hoteneniko izany olona izany mbamin’ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Ary izay mpaminany, na mpisorona, na sarambaben’olona, hanao hoe: «Mavesatra ho an’i Iaveh,» dia hovangiako io olona io mbamin’ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin’ny vahoaka, Izay manao hoe: Ny entan’i Jehovah,– Dia hovaliako izany olona izany mbamin’ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny mpaminany sy ny mpisorona mbamin'ny vahoaka, izay manao hoe: Ny entan'i Jehovah. Dia hovaliako izany olona izany mbamin'ny ankohonany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 23:34
4 Rohy Ifampitohizana  

Hirotsaka an-tsehatra hamely azy sy ny taranany ary ny manamboninahiny Aho noho ny heloka nataony. Hampihariko aminy sy amin’ny mponina eto Jerosalema ary amin’ny olon’i Joda ny loza rehetra izay efa nambarako taminy nefa tsy nahoany akory.› »


Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran’ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.


Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.


Raha mbola misy mihambo haminany ihany, dia ny ray aman-dreniny niteraka azy no hiteny aminy hoe: «Ho faty tokoa ianao satria mihambo hiteny amin’ny anaran’ny Tompo, kanefa dia mandainga.» Ary ireo ray aman-dreniny hanomboka antsy azy mandra-pahafatiny, raha mbola maminany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra