Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 22:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Horoahiko ianao sy ny reninao ho any amin’ny tany izay hafa noho ny tany nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo mianaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any no hahafatesanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Horoahiko ianao sy ny reninao ho any amin’ny tany izay hafa noho ny tany nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo mianaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Hatsipiko ianao sy ny reninao niteraka anao, ho any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo ka any ianao no ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako Any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, Ka any no hahafatesanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary ianao sy ny reninao niteraka anao dia hariako any an-tany hafa izay tsy nahaterahanareo, ka any no hahafatesanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 22:26
16 Rohy Ifampitohizana  

Nataony sesitany avy ao Jerosalema ho any Babilôna koa i Jôiakina mpanjaka mbamin’ny reniny sy ireo vadiny ary ny tandapa mbamin’ireo filohan’i Joda.


Feno 18 taona i Jôiakina fony tonga mpanjaka; ary telo volana ihany no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Nehostà zanakavavin’i Elnatàna avy ao Jerosalema.


Fony 37 taona taorian’ny fanaovana sesitany an’i Jôiakina mpanjakan’i Joda, dia i Evila-Merôdaky no tonga mpanjakan’i Babilôna; koa tamin’ny volana faha-12, dia nomeny famotsoran-keloka i Jôiakina ka nasainy navoaka ny tranomaizina.


Tsy navela hanao ny fitafian’ny mpigadra intsony izy, ary niara-nisakafo tamin’ny mpanjakan’i Babilôna nandritra ny andro sisa rehetra niainany.


Izany koa no nahazoan’i Jôiakina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna ny zavatra nilainy araka ny sahaza azy isan’andro mandra-pahafatiny.


Indro ny TOMPO hamely anao indray mipaoka monja, rangahy, dia hataony an-kitapo ianao


Fa izao no lazain’ny TOMPO: «Amin’ity indray mandeha ity dia horoahiko ny mponina eo amin’ny tany; hotemeriko akaiky izy mba tsy hisy ho afa-mitsoaka.»


Lazao amin’ny mpanjaka sy ny reniny hoe: «Mipetraha amin’ny tany ianareo, satria efa nianjera avy eny an-dohanareo ny satroboninahitrareo tsara tarehy.


Noho izany dia horoahiko hiala amin’ity tany ity ianareo hankany amin’ny tany izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razanareo. Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’alina, fa tsy hiantra anareo intsony Aho.› »


Haniry mafy hiverina atỳ amin’ny taninareo ianareo, nefa tsy ho tafaverina atỳ intsony.»


Haveriko eto koa i Jekonià, zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, mbamin’ny Jodeanina rehetra izay nentina ho babo tany Babilôna, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Eny, hopotehiko ny ziogam-pamoretana angejan’ny mpanjakan’i Babilôna anareo».


dia fony niala tao Jerosalema i Jekonià mpanjaka sy ny renin’ny mpanjaka, ireo tandapa sy ireo mpiasam-panjakana ambony tao Joda sy Jerosalema mbamin’ireo mpahay taozavatra sy mpahay taovỳ.


Ary ireo Jodeanina sisa tavela izay tonga hialokaloka tany Ejipta dia tsy hisy ho afa-mandositra na mitsoaka, tsy hisy ho tafaverina any Joda izay niriny fatratra hiverenana mba honenana; tsy hisy hiverina any Joda ireo, afa-tsy izay vitsivitsy nieren-doza ihany.› »


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra