Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 2:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta ka hanaron-tava amin’ny tanana ianao; satria Izaho TOMPO tsy manaiky ny hitadiavanao io karazam-panampiana io, fa tsy hanambina anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Hiala amin’izany koa ianao ka hiloloha tanana; fa nolavin’NY TOMPO ny zavatra maro nitokisanao ka tsy hahomby miaraka amin’ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Dia hialanao amin-kenatra koa i Ejipta ka hanaron-tava amin’ny tanana ianao; satria Izaho TOMPO tsy manaiky ny hitadiavanao io karazam-panampiana io, fa tsy hanambina anao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Avy any ianao dia hiverina, miloloha tanana; satria nolavin’i Iaveh ry zareo itokianao, ka tsy hahomby ianao miankina amin’ireo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tànana hianao; Fa nolavin’i Jehovah ny tokinao, Ka tsy hambinina amin’ireo hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Izany koa dia hialanao, ka hiloloha tanana ianao; Fa nolavin'i Jehovah ny tokinao, ka tsy hambinina amin'ireo ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:37
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida tamin’i Orià: –Mijanòna ihany àry atỳ anio. Fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nijanona tao Jerosalema hatramin’ny ampitson’iny i Orià.


Norarahany lavenona ny lohany ary notriariny ny akanjo lava teny aminy; dia niloloha tanana izy sady nikiakiaka nitomany teny am-pandehanana.


Indro miaraka aminay Andriamanitra mba ho mpitarika anay; ary indreo ny mpisorony vonona hitsoka ny trompetra avo faneno mba hanaingana hamely anareo. Koa aza miady amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ry Israelita tavaratra, fa tsy hahomby ange ianareo!»


Izao ihany no azonareo atao: hitanondrika miaraka amin’ireo babo na hidaboka miaraka amin’ireo maty. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Hofoanana ny fifanekenareo tamin’ny fahafatesana ary tsy hateza ny fifanarahanareo tamin’ny fonenan’ny maty; koa raha mandalo ny loza mifofofo fiavy, dia hanapotika anareo.


Irahin’ny lehibe mba haka rano ireo mpiasa madinika; tonga eo amin’ny lavaka fantsakana izy nefa tsy mahita rano intsony ka miverina mitondra siny foana, dia menatra sy mangaihay ary diso fanantenana.


Noho ny fangentan’ny tany fa tsy nisy orana latsaka taminy dia menatra sy diso fanantenana ny tantsaha.


Izao no lazain’ny TOMPO: –Voaozona izay mitoky amin’olombelona sy miantehitra amin’ny nofo ho heriny ka mampiala ny fony amiko.


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Miakara any an-tampon’i Libano ka manaova koka lava, ry Jerosalema; ataovy re any Basàna ny feonao manaova koka lava eny amin’ny havoanan’i Habarima fa potika ny sakaizanao rehetra.


Izao no lazainy: «Aoka iny lehilahy iny hosoratana ho toy ny tsy niteraka sady tsy nahomby tamin’ny androm-piainany. Fa tsy hisy taranany hahazo hipetraka hanjaka eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida na hifehy an’i Joda intsony.»


Dia hoentina any Babilôna i Tsedekià, ka hijanona any saingy hokarakaraiko, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO. Fa na dia hanohy hiady amin’ny Babilônianina aza ianareo, dia tsy haharesy azy.»


Mbola vizana ny masonay miandry foana ny famonjena. Nitazana teo an-tilikambo izahay nanantena firenena tsy hahavonjy.


Fa hoy i Mosesy hoe: –Inona no anton’izao? Mandika ny baikon’ny TOMPO ianareo ka tsy hahomby amin’izany mihitsy!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra