Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 2:35 - DIEM PROTESTANTA

35 dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao, ary tsy ara-drariny ny itezerako anao. Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy, dia hanenjika anao amin’ny fitsarana Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho ka ho afaka amiko ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny ilazanao hoe: Tsy nanota aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao, ary tsy ara-drariny ny itezerako anao. Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy, dia hanenjika anao amin’ny fitsarana Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Dia hoy ianao: ‹Tsy manan-tsiny aho; efa afaka tokoa ny fahatezerany tamiko.› Indro hifandahatra aminao Aho, amin’ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Nefa hoy hianao: Tsy manan-tsiny aho, Efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho Noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Nefa hoy ianao: Tsy manan-tsiny aho, efa afaka amiko tokoa ny fahatezerany. Indro, hifandahatra aminao Aho noho ny anaovanao hoe: Tsy nanota aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 2:35
11 Rohy Ifampitohizana  

«Tsy manan-tsiny aho ary tsy manan-keloka, madio ary tsy manam-pahadisoana.


Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.


Kanefa manontany Ahy izy manao hoe: «Soa inona ho anay ny mifady hanina, raha tsy hitanao akory izany? Soa inona ho anay ny mampahory tena, raha tsy ahoanao akory izany?» Izao kosa no amaliako azy: Indro fa amin’ny andro ifadianareo hanina dia manenjika ny tombontsoanareo ihany ianareo ka manjakazaka amin’ny mpiasa rehetra eo aminareo.


«Ary rehefa mampita izany hafatra izany amin’io vahoaka io ianao, ka hanontaniany hoe: ‹Nahoana ny TOMPO no namoaka izany teny mandoza lehibe izany hamelezana anay? Fa inona no heloka na fahadisoana nataonay tamin’ny TOMPO Andriamanitray?›


Ahoana no ahasahianao nilaza hoe: «Tsy nandoto tena aho, tsy nanaraka ny fivavahana tamin’i Bahala?» Jereo ange izay nataonao tao an-tsaha e! Aoka hiaiky izay nataonao ianao, fa toy ny ramevavavy mihazakazaka etsy sy eroa.


Nahoana no mifandahatra amiko ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, kanefa ianareo rehetra no nivadika tamiko?


Noho izany dia hifandahatra hiady aminareo Aho, ary hatrany amin’ny zafinareo no hiadiako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tonga amin’ny mponina rehetra amin’ny tany izany feo mitrena ataon’ny Tompo izany, ary tafapaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Manana ady atao amin’ireo firenena ny TOMPO ka miantso ny olona rehetra ho eo amin’ny fitsarana. Izay olon-dratsy dia hatolony haringana. Izany no teny hentitry ny TOMPO.»


Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Hoentiko any Babilôna izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.


Taloha, fony tsy mbola nisy ny lalàna, dia velona aho; fa nony tonga ny didy, dia ny fahotana no velona,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra