Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 18:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, koa ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; ary nahatafintohina azy teo amin’ny lalany ireny, dia ny lalana efa hatramin’ny fahagola ka nandehanany amin’ny sakeli-dalana madinika, dia amin’ny lalana tsy voavoatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Fa ny oloko kosa efa nanadino Ahy; ny tsinontsinona no tolorany emboka manitra, ka avezivezin’ny sampy izy ireo eny amin’ny lalany, dia amin’ny lalana fahataloha, handehanany amin’ny sakeli-dalana, dia amin’ny lalana tsy voasoritra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, Ka ho an’ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin’ny làlany ireny; dia ny làlana fahagola, Handehanany amin’ny sakeli-dàlana madinika, dia amin’ny làlana tsy voavoatra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Fa efa nanadino Ahy ny oloko, ka ho an'ny sampy no nandoroany ditin-kazo manitra; Ary nanafintohina azy teo amin'ny lalany ireny; dia ny lalana fahagola, handehanany amin'ny sakeli-dalana madinika, dia amin'ny lalana tsy voavoatra,

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 18:15
35 Rohy Ifampitohizana  

ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.


Ry vahoakako ô, hoy ny Tompo, olona mpanjakazaka anao no mampahory anao ary olona tsy miraharaha anao no manapaka anao; ry vahoakako ô, ireo mpitondra anao no nampivily anao ka làlan-tsiizy no nitondrany anao.


Tsinontsinona ny andriamani-tsiizy rehetra, zava-poana ny zavatra ataony, tsio-drivotra miserana ny sampiny sady zavatra tsy misy fotony!


Ny TOMPO efa niteny hoe: «Ataovy mitovy tantana ny lalana, ataovy mitovy tantana ny lalana ka sokafy, esory ny sakantsakana amin’ny lalan’ny vahoakako.»


Ry mponin’i Jerosalema, mivoaha tao an-tanàna, mivoaha amin’ny vavahady, anokafy lalana ny vahoaka mody, ataovy mitovy tantana ny arabe ka esory ny vato eo aminy ary atsangano ny faneva hanaingana ireo firenena.


ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an’ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!


Noho izany, dia tsy hiantran’ny Tompo ireo tanorany ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondratenany. Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny Tompo fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Havoakako ny didim-pitsarana hamelezana ny mponin’ity tany ity noho ny ratsy rehetra izay nataony: nandao Ahy izy ka nanao sorona ho an’ireo andriamani-kafa, dia ny andriamanitra asan-tanany izay ivavahany!


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, dia ho levona izy.


Dia handeha hitaraina any amin’ireo andriamanitra izay nandoroany ditin-kazo manitra ny mponina amin’ny tanànan’i Joda sy i Jerosalema nefa tsy hahavonjy azy mihitsy ireny rehefa hiharan’ny loza izy.


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.


Ry Jerosalema, izao no voatendry ho anao, dia ilay anjara nomaniko ho anao, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, satria nanadino Ahy ianao ka nifikitra tamin’ireo andriamani-tsiizy:


–TOMPO ô, Ianao no heriko sady mpiaro ahy, fialofako amin’ny androm-pahoriako. Hankany aminao ireo firenen-kafa avy any am-paran’ny tany sady ho loa-bolana hoe: «Tena fitaka ny fivavahana izay nolovanay tamin’ny razanay, fa tsinontsinona sady tsy mahasoa.


Ry TOMPO fanantenàn’i Israely ô, ho menatra izay rehetra mandao Anao. Voasoratra anarana eo am-bovoka izay nihataka taminao, noho izy efa nandao Anao, ry TOMPO loharano velona ô.


Moa ve ny harambato eny an-tsaha mba ilaozan’ny oram-panalan’i Libano? Moa mba efa ritra ve ny rano izay mikoriana mangatsiatsiaka avy any an-tany hafa any? Tsia.


Nanorina toeram-panasinana ho an’i Bahala izy mba handoroany ny zanany ho sorona dorana ho an’i Bahala eo. Nefa zavatra tsy nandidiako azy izany sady tsy noresahiko taminy na mba tonga tao am-poko velively.


Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Moa manadino ny firàvany ve ny virijiny? sa manadino ny etrany voarandrana ve ny ampakarina? Tsia, nefa ianareo vahoakako efa nanadino Ahy hatramin’ny andro maro tsy voaisa.


Injany misy feo re any an-tampon-kavoana: tsy inona izany fa ireo Israelita izay mitomany sy mitaraina mafy satria diso lalana tamin’izay nalehany ka nanadino Ahy TOMPO Andriamaniny.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Ny anareo vehivavy manokana, izay voalazanareo dia tanterahinareo; ka nilaza ianareo fa hanefa ny voady nataonareo tamin’i Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra ary hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho azy. Koa efao ny voadinareo ary ataovy izay efa nampanantenainareo!


Zava-poana sy asa mahatsikaiky ireny; fa amin’ny andro hamaizana azy, no hahalevona ny sarivongan-tsampy.


Izao no lazain’ny TOMPO: Mijanòna eny an-dalana ianareo ka mandiniha; ary anontanio ny sakeli-dalana fahiny. Tadiavo ny lalana ho amin’ny fahasambarana; araho izany, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo! Kanefa hoy izy hoe: «Tsy hanaraka izahay!»


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Noranitina handringanana olona izy natao mangirana hanjelanjelatra.


Tsy hataoko renareo intsony ary tsy hitambesatra aminareo intsony ny fanarabiana sy sahato ataon’ny firenen-kafa satria tsy hamono ny zanakareo ho faty intsony ny taninareo; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ireo fety fanaony isan-taona, ireo voaloham-bolany sy ireo sabatany ary ireo fety hafa fankalàzany.


Tsy ho tia ireo zanany Aho satria zanaky ny fivarotan-tena ireny.


Fa ankehitriny efa nivily lalana ianareo mpisorona, ka nahasolafaka olona maro tamin’ny fampianaranareo. Noravanareo noho izany koa ny fanekempihavanako taminareo, hoy Izaho Tompon’izao rehetra izao.


dia tsy mahazo manolotra mari-panajana ho an’ny rainy na ny reniny intsony.» Koa ny fomba amam-panaonareo no nanafoananareo ny tenin’Andriamanitra.


Ny tsara dia ny tsy mihinan-kena na misotro divay na mikasika akory izay mahasolafaka ny namanao amin’ny ratsy.


Ireo no nampitovy lanja Ahy tamin’andriamani-tsiizy sy naniratsira Ahy tamin’ny sampy tsinontsinona. Izaho kosa hampitovy lanja azy amin’izay tsy vahoaka akory; firenena adala no hampanaratsiako azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra