Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jakoba 4:3 - DIEM PROTESTANTA

3 mangataka amin’Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan’ny filàndratsinareo no angatahinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Mangataka ianareo nefa tsy mahazo ihany satria diso fangataka fa mba holaninareo amin’ny filanareo fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 mangataka amin’Andriamanitra ianareo nefa tsy mahazo, satria ratsy fangataka: izay hiaranan’ny filàndratsinareo no angatahinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 mangataka ianareo, fa ratsy fangataka, dia ny hahazo izay hiaranan’ny filàn-dratsinareo, ka tsy mahazo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin’ny filanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 4:3
25 Rohy Ifampitohizana  

ka dia hoy Izy tamin’ny mpanjaka: –Nangataka izany zavatra izany ianao; tsy ny ho ela velona na ny harena, na koa ny hahafaty ireo fahavalonao no nangatahinao fa kosa fahaiza-manavaka hitondrana ny vahoaka amim-pahamarinana.


Miantso vonjy ny olona ampahorîna fa tsy mamaly azy Andriamanitra satria mpirehareha sy ratsy toetra ireo.


Ataonao mandositra ahy ny fahavaloko ary aringako ireo mpankahala ahy.


amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


ka nanao hoe: «Satria tsy nety nihaino izy rehefa mba nanao antso avo taminy Aho, dia tsy mba nihaino azy kosa Aho rehefa mba niantso vonjy tamiko izy.


Fa hoy i Jesoa: –Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian’izy mirahalahy hoe: –Vitanay!


Fa hoy i Jesoa taminy: –Tsy fantatrareo manko izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako, na ny hiroso amin’ny batisa hirosoako?


Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.


Nony afaka andro vitsivitsy, dia nivarotra ny anjarany manontolo ilay zandriny, ary lasa nitondra ny vola azony nankany an-tany lavitra ka nandanilany foana ny fananany tamin’ny filibàna.


Fa nony tonga kosa io zanakao io, izay nahafongana ny fanananao tamin’ny vehivavy mpivarotena, dia amonoanao ny zanak’omby nafahy.»


Avy aiza moa ireo ady sy fifandirana eo aminareo? Ny fototr’ireny dia ny filàndratsinareo, filàndratsy izay miady ao amin’ny tenanareo.


ary na inona na inona angatahintsika dia azontsika avy aminy, satria mitandrina ireo didiny sy manao izay ankasitrahina eo imasony isika.


Ary izao no toky ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha mangata-javatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra