Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jakoba 1:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran’ny fitsapana samihafa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa na dia rehefa iharan’ny fizahan-toetra samihafa aza ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ry havako, ataovy ho tretrika tokoa ny tenanareo raha ifandafaran’ny fitsapana samihafa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Raiso ho fifaliana avokoa, ry kristianina havana, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan’ny fakam-panahy samy hafa hianareo,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy samy hafa ianareo,

Jereo ny toko dika mitovy




Jakoba 1:2
21 Rohy Ifampitohizana  

Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;


Eny, tombon-tsoa nomena anareo ny hanompoanareo an’i Kristy, ka tsy hoe ny hino Azy ihany fa ny hiaritra fijaliana koa noho ny aminy:


Mety halatsa-dra ho sorona araraka aho ka hampombaina ilay sorona atolotrareo an’Andriamanitra, dia ny finoanareo. Raha izany tokoa, dia faly aho ary mampiombona anareo rehetra amin’ny hafaliako;


aoka hifaly amin’izany koa ianareo, ary hampiombona ahy amin’ny hafalianareo.


Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.


niarahanareo niaritra ny fijalian’izay voafonja; ary nony norobaina ny fanananareo, dia nekenareo tamin-kafaliana izany satria fantatrareo fa manam-pananana tsara lavitra sady maharitra ianareo.


Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.


Aza mamita-tena, ry havako malala:


Efa fantatrareo izany, ry havako malala; kanefa aoka ny isam-batan’olona samy ho dodona hihaino fa tsy ho maimaika hiteny na halaky tezitra,


Indro ataontsika hoe sambatra izay manam-paharetana. Efa renareo ny faharetan’i Jôba, ary fantatrareo izay nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany, satria be fiantra sy be indrafo ny Tompo.


Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,


Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra