Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 8:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Handalo ao amin’io tany io ny olona, izay efa vizana sy noana. Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny. Hiandrandra ny lanitra izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Hivezivezy amin’ny tany amin’ny fahantrana sy ny mosary ny olona; ary rehefa mosarena izy dia ho sosotra ka hanozona ny Mpanjakany sy Andriamaniny ary hiandrandra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Handalo ao amin’io tany io ny olona, izay efa vizana sy noana. Noho ny hanoanana dia hisafoaka izy ka hanozona ny mpanjakany sy ilay Andriamaniny. Hiandrandra ny lanitra izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Hirenireny amin’ny tany, vontom-pahoriana sy mosarena, ary rehefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny andriamaniny amin’ny fiafonafonany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia samy hivezivezy amin’ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra Ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, Ary dia hiandrandra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia samy hivezivezy amin'ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 8:21
25 Rohy Ifampitohizana  

Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna ka tsy nanan-kohanina ny mponina; ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra


Raha mbola niteny i Elisà dia tonga ny mpanjaka nanao hoe: –Ny TOMPO no mandefa amintsika izao loza rehetra izao! Ka inona intsony no azoko antenaina aminy?


Fa esory aminy ange izay ananany e, raha tsy ankitsirano izao no haniratsirany Anao!


Lanin’ny mosary ny fahavitrihan’ny olon-dratsy ary mitoetra eo anilany ny fahantrana.


Fa ahinjiro aminy ange ny tananao ka kasiho ny taolany sy ny nofony e, raha tsy an-kitsirano izao no haniratsirany Anao!


Ary hoy ny vadiny taminy: –Mbola mikiry amin’ny fahamarinanao foana ve ianao? Lavy Andriamanitra, dia matesa any ianao!


«Aza avelanareo ho tratra aoriana ny fanateranareo amiko ny santa-bokatrareo sy ny santatry ny divainareo. «Tsy maintsy hatokanareo ho Ahy ny lahimatoanareo.


Rehefa simban’ny hadalàny ny lalan’ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran’ny fony.


Ireo olona faran’izay fadiranovana dia ho tahaka ny ondrikely miraotra, ary ireo mahantra hiadana sy handry feizay; fa hataon’ny fahavalo matin-kanoanana hatrany ifotony kosa ianao, ry Filistia, ary izay sisa ao aminao dia haringana.


Tonga namely anao tsiroaroa ny loza; fahasimbana sy faharavana, ary ady sy mosary. Kanefa iza moa no hitsetra anao, iza moa no hampahery anao?


Noho izany, dia lavitra antsika ny rariny ary tsy tonga amintsika ny hitsiny. Nanantena hahita fahazavana isika, kanjo indro haizina mikitroka; hazavàn’ny maraina no nandrandraintsika, kanjo haizim-pito no andehanantsika.


Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY hoe: Indro ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro fa ianareo kosa ho main-ketaheta; indro ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.


ny fokon’i Manase mihinana ny fokon’i Efraîma, ny an’i Efraîma kosa mihinana ny an’i Manase, ary izy roa tonta no indray mamely ny fokon’i Joda. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.


Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.


Mafy dia mafy ny mosary tao an-tanàna fa tsy nanan-kohanina ny mponina. Ary tamin’ny andro fahasivin’ny volana fahefatra,


Hitaraina amin’ny TOMPO ianareo amin’izany fotoana izay noho ny mpanjaka izay nofidinareo, saingy tsy nihaino anareo Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra