Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 8:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ny TOMPOn’izao rehetra izao ihany no aoka hoekenareo ho masina! Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hamasino; Izy ihany no tokony hatahoranareo, ary Izy ihany no tokony hampangovitra anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ny TOMPOn’izao rehetra izao ihany no aoka hoekenareo ho masina! Izy no hatahoranareo sy hangovitanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo, Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Jehovah, Tompon’ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Jehovah, Tompon'ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 8:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Aoka Andriamanitr’i Abrahama sady Andriamanitr’i Nahôra no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an’i Itsehàka rainy no nianianan’i Jakôba.


Ry Andriamanitr’i Jakôba ô, nandrahona Ianao ka nitsatoka teo ny soavaly sy ny mpitaingina azy.


Namaly azy ireo i Mosesy hoe: –Aza matahotra! Raha nanatona anareo Andriamanitra, dia ny mba hizaha toetra anareo; tiany hisy eo aminareo ny fanajana Azy mba tsy hanotanareo.


Satria raha mahita izay hataoko eo anivony ny tenany sy ireo taranany, dia hanome hasina ny anarako, hanome hasina Ahy satria Izaho no ilay Masin’i Jakôba ary hangovitra eo anatrehako satria Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Hasandratra kosa ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ny fanaovany fitsarana ara-drariny. Hiseho koa ny maha Andriamanitra masina Azy amin’ny fanehoany ny fahamarinany.


Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Aza manala baràka ny anarako masina, mba hanajana Ahy ho masina eo amin’ny Israelita. Izaho no TOMPO, Izay manokana anareo ho vahoakako.


Ny fanekempihavanako taminy dia ahazoany fiainana sy fiadanana. Nomeko azy izany mba hanajany Ahy; ka dia nanaja Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy.


Fa tsy nankatò ny didiko ianareo mirahalahy tany an-taniefitr’i Tsina, raha nila ady tamiko ny fiangonana; tsy naneho ny fahamasinako teo anatrehany manko ianareo, fony nitaky rano tamiko izy. Ny amin’ny ranon’i Meribà tany Kadesy, tao an-taniefitr’i Tsina, no lazaina etoana.


Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.


Fa hasehoko anareo izay tokony hatahoranareo: matahora an’Andriamanitra Izay manam-pahefana hamarina anareo any amin’ny lohasahan’afo rehefa novonoiny ianareo; eny, hoy Aho aminareo, Izy ihany no atahory.


Tsy very finoana ny amin’ny fampanantenana izay nataon’Andriamanitra i Abrahama, fa vao mainka aza nankahery azy ny finoany; ka dia nanome voninahitra an’Andriamanitra izy,


Dia eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, eo amin’ny toerana izay hofidiny mba hipetrahan’ny voninahiny, no hihinananareo ny ampahafolon’ny vary sy divay ary menaka vokatry ny taninareo, ary koa hihinananareo ny voalohan-teraky ny omby sy ondry aman’osinareo. Izany no hianaranareo hanaja mandrakariva ny TOMPO Andriamanitrareo.


Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo? Iza no tsy hanome voninahitra Anao? Satria Ianao irery no masina, ka ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»


Naka omby roa izy, ka notetitetehiny madinika izany, ary nasainy nentin’ireo iraka manerana ny faritan’i Israely, miaraka amin’izao fampitandremana hoe: –Ho toy izao anie ny hanjo ny ombin’izay tsy manaraka an’i Saoly sy i Samoela hiady! Azon-korohoro ny amin’izay mety hataon’ny TOMPO ireo Israelita ka niainga hiady toy ny olona iray ihany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra