Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 7:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Dia hoy i Isaià taminy: –Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak’i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an’Andriamanitra koa ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ry taranak’i Davida! Heverinareo ho zavatra kely foana va ny hanasatra ny olona no mbola hanasatra an’Andriamanitro koa ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Dia hoy i Isaià taminy: –Mihainoa ahy ianao sy ny fianakavianao izay samy taranak’i Davida. Moa tsy ampy anareo ve ny manasatra ny olombelona no dia hanasatra an’Andriamanitra koa ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Ka hoy i Izaia: «Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak’i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an’Andriamanitro koa hianareo?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia hoy Isaia: Mihainoa ary, ny taranak'i Davida: Ataonareo ho zavatra kely foana moa ny hanasatra ny olona, No dia hanasatra an'Andriamanitro koa ianareo ?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 7:13
27 Rohy Ifampitohizana  

Fa novalian’i Leà hoe: –Moa tsy ampy anao ve ny nakanao ny vadiko ka tianao halaina koa ankehitriny ny mandragôran-janako? Dia hoy i Rahely hoe: –Aleo àry handry any aminao i Jakôba anio alina ho takalon’ny mandragôran-janakao.


Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.


Mitaingena kalesy ianao ka mirosoa hiaro ny hitsiny sy hitandro ny rariny. Loza no hafitsoky ny herinao:


Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.


Noho izany ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, Ilay Maherin’i Israely, dia manao teny hentitra hoe: «Loza! hiala vonkina amin’ny mpanohitra Ahy Aho, ary hamaly faty amin’ireo fahavaloko!


Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny lapan’i Davida; ka raha hamoha varavarana izy dia tsy hisy hanidy, ary raha hanidy izy dia tsy hisy hamoha.


TOMPO ô, Ianao no Andriamanitro. Hanandratra Anao sy hankalaza ny anaranao aho, satria notanterahinao ny zava-mahagaga izay efa nokasainao hatry ny elabe sady mafy orina sy azo itokiana.


Tsy ho Ahy no namoizanao volafotsy mba hividianana veromanitra; ary tsy Izaho no novokisanao tamin’ny jaboran’ny soronao. Fa ianao no nampanompo Ahy tamin’ny fahotanao sy nanasatra Ahy tamin’ny helokao.


Saingy nikomy tamin’ny Tompo ireo ka nanome alahelo ny Fanahiny Masina; dia tonga fahavalon’ireo Izy sady niady taminy mihitsy.


Fa novalian’i Ahaza hoe: –Tsia, tsy hangataka na inona na inona aho fa tsy te haka fanahy ny TOMPO.


Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.


ianareo taranak’i Davida. Izao no lazain’ny TOMPO: Fanaovana fitsarana ara-drariny no tontosay isa-maraina. Afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany fandrao hitroatra ny fahatezerako ka ho afo mandoro tsy hay vonoina. Vokatry ny asa ratsy nataonareo izany.


Tsia, tsy lefitry ny TOMPO intsony ny fanao ratsy sy ny zavatra maharikoriko vitanareo. Noho izany, dia rava sy nampahonena ny taninareo ary tsy nisy mponina intsony, ka tonga oha-panozonana tahaka izay misy ankehitriny.


Feno ny fahatezeranao aho, ry TOMPO, ka tsy mahatsindry izany intsony. Afafazo amin’ny ankizy eny an-dalambe sy amin’ny andian-tanora manontolo izany fahatezerako tsy tantinao izany. Fa na lehilahy na vehivavy na ny antitra na izay efa ela niainana dia samy hosamborina avokoa.


Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?


Tsy nionona fotsiny tamin’ny fakana tahaka ny fitondrantenany sy ny fomba maharikoriko nataony ianao, fa kely ihany raha izany! Saingy ratsy lavitra noho ny azy ny fitondrantenanao manontolo.


Tsy ampy ny sasany eo aminareo angaha ny miraoka eny amin’ny tanim-bilona tsara no dia hosihosenareo koa ny ahitra sisa? Tsy ampy anareo angaha ny misotro ny rano madio no dia lotoinareo amin’ny tongotrareo koa ny rano sisa?


Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.


Henoinareo ka ambarao amin’ny taranak’i Jakôba: ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY, dia ilay Andriamanitr’izao rehetra izao:


Manasatra ny TOMPO amin’ny teninareo ianareo. Nefa manontany ianareo hoe: «Dia amin’inona no anasaranay Azy?» Amin’ny filazànareo hoe: «Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ny TOMPO, ary ny olona toy izany no sitrany.» Na koa amin’ny filazànareo hoe: «Aiza àry ilay Andriamanitra mampihatra ny rariny?»


Tsy ampy anao ve ny namoahanao anay nandao tany tondra-dronono sy tantely mba hahafaty anay atỳ an-taniefitra, no mbola mitady hibaiko anay indray ianao!


Tsy ampy anareo ve ny nanavahan’ilay Andriamanitr’i Israely anareo tamin’ny fiangonan’i Israely mba hahafahanareo manakaiky Azy, ka hanaovanareo ny asa fanompoana ao amin’ny Fonena-masin’ny TOMPO ary hankalazanareo ny fanompoam-pivavahana amin’ny anaran’ny fiangonan’i Israely?


Mpamonjy mahery ho antsika no najorony avy amin’ny taranak’i Davida mpanompony,


Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.


nandritra ny efapolo taona. Izany no nahatezitra Ahy tamin’ireo olona ireo, ka hoy Aho hoe: ‹Maniasia lalandava ny fisainany; tsy nahafantatra ny lalako ireo.›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra