Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 63:2 - DIEM PROTESTANTA

2 –Nahoana no mena ny akanjonao ary nahoana ny fitafianao no tahaka ny an’ny mpanosihosy voaloboka ao amin’ny famiazam-boaloboka?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary tahaka ny an’izay manosihosy ao amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 –Nahoana no mena ny akanjonao ary nahoana ny fitafianao no tahaka ny an’ny mpanosihosy voaloboka ao amin’ny famiazam-boaloboka?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nahoana no misy mena ity fitafianao, ary tahaka ny an’izay manosy eo amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Nahoana no mena ny fitafianao, Ary ny akanjonao no tahaka ny an’izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an'izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 63:2
7 Rohy Ifampitohizana  

Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka, ka hafatony amin’ny tahom-boaloboka ny borikiny ary amin’ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny; divay no hanasany akanjo ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.


Eny, ny fahamarinana no nakanjoin’ny Tompo ho tahaka ny akanjo vy fiarovan-tena ary ny famonjena no nataony ho satro-by fiarovan-doha. Ny famaliana no toy ny fitafiana nanaovany ary ny fitiavana miredareda manentana Azy no toy ny lamba nisalorany.


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


Noho izany, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa hampihosin-dra anao Aho satria fandatsahan-dra no setry hanjohy anao. Noho ianao tsy niahotra nandatsa-dra, dia fandatsahan-dra no setry hanjohy anao.


Dia naroson’ilay anjely teny amin’ny tany ny antsy fijinjàny, ka notoazany avokoa ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana goavana, dia ny famiazana manambara ny haviniran’Andriamanitra.


Miakanjo akanjo voahosin-dra Izy; ary ny anarany dia natao hoe: «ilay Tenin’Andriamanitra.»


Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin’ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra