Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 59:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra eo amin’ny fitsarana araka izay tena izy; matoky ny misavorovoro sy miteny zava-poana izy; torontoronina fampahoriana izy ka miteraka loza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy ara-drariny no itorianareo olona, tsy araka ny toetra mahatoky no iadianareo am-pitsarana; porofo tsy azo antoka no ianteheranareo, zavatra tsy marim-pototra no teniteneninareo; torontoronina ny ratsy ianareo ka miteraka loza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, Na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; Matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Tsy misy mitory olona araka ny fahamarinana, na mandahatra ny rariny araka izay mahatoky; matoky ny tsy izy sy miteny zava-poana izy; Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 59:4
36 Rohy Ifampitohizana  

Diso hevitra izy raha hitoky amin’ny fitaka, satria ny nataony ihany no hivaly aminy.


Izay torontoronina loza dia miteraka fahoriana; fa ny kibony manotri-pitaka hahavoa azy ihany.


Lainga hatrany no ifampilazana: ny teny mandoka fa ny fo tsy azo antoka.


Tsio-drivotra mandalo ihany ny sarambabem-bahoaka; rendrarendra foana koa ireo olona manan-kaja; raha indray atao amin’ny mizana izy roa tonta, dia maivana noho ny tsio-drivotra mandalo.


–Ianareo kosa, mandra-pahoviana no hifarimbona hamely olona ka hiara-mioko handrodana azy ho toa rindrina mirona sy fefy mikoa?


Indreo kosa ny mpiteti-dratsy: loza no saintsaininy lainga sy fitaka no aterany.


Tsy matory ireny raha tsy efa nanao ratsy ary tsy mahita tory raha tsy efa nanafintohina olona.


Lozan’ireo olona mamoaka didy tsy marina ary maika hampanoratra lalàna mampahory.


Izahay koa dia mova tsy efa bevohòka sy efa nihetsi-jaza hiteraka, nefa tahaka ny zava-poana no naterakay. Tsy nahay nitondra fanafahana ho an’ny tany izahay, tsy nahay nitondra mponina vaovao ho an’izao tontolo izao.


Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.»


Satria tapitra hatreo ny mpanjakazaka ary ho levona ireo mpaniratsira, haringana ireo rehetra mitady hanimba ny hafa,


Koa izao no lazain’ilay Masin’i Israely: «Satria lavinareo izany teniko izany fa aleonareo mitoky amin’ny tsikombakomba sy miantehitra amin’ny hafetsifetsena,


Fa vahoaka maditra izy ireo, zanaka mandainga, tsy mety mihaino ny fampianaran’ny TOMPO.


Toy ny torontoronina vilona ianareo, ka miteraka mololo; koa ny fofonaiko no tahaka ny afo izay handevona anareo.


Mifikitra amin-javatra lasan-ko lavenona ireny; ny fony voafitaka no nampivily azy. Tsy mahafaka azy ny andriamaniny, kanefa ny tenany koa tsy mahateny hoe: «Hay moa ka andriamani-tsiizy ity eto an-tanako ankavanana ity!»


Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao, ka nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy.» Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana nihamboanao hananana ihany no nampivadika atidoha anao, ka nampiteny anao anakampo hoe: «Izaho dia tsy manan-tsahala!»


Lozan’ireo olona voazioga toy ny omby ho valin’ny ratsy nataony! Toy ny itarihana sarety no hitarihany ny famaizana vokatry ny otany.


Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.


Tsy eo tokoa ny fahamarinana; ary izay miala amin’ny ratsy dia mitolo-tena ho voaroba. Hitan’ny TOMPO izany rehetra izany, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.


Hitan’ny Tompo fa tsy nisy niraika akory, gaga Izy fa tsy nisy olona mpanelanelana; koa ny fahefàny ihany no nentiny hamonjy ary ny fahamarinany no nandrisika ny tenany.


Satria voaloto amin’ny ra ny felatananareo ary voaloto amin’ny heloka ny rantsan-tananareo; lainga sy fanaratsiana no afafin’ny teninareo.


Na dia izany aza anefa, TOMPO ô, Ianao no Rainay; tanimanga izahay, fa Ianao no mpanefy ary asan’ny tananao izahay rehetra.


Ny mpitarika ity firenena ity dia tsy nanao afa-tsy ny nampivoana azy, ka izay rehetra notarihiny dia nandeha tamin’ny lalan-tsiizy avokoa.


Ny zava-bitanao sy ny tahirin-karenao no nianteheranao, ry Môaba. Kanjo hay voa koa ianao ity! Indray lasan-ko babo i Kemôsy andriamanitrao sy ny mpisorony ary koa ireo mpitondra anao.


Mandehana mivezivezy eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo; dia jereo tsara sy hadihadio, tadiavo eny amin’ny toera-malalaka raha mahita olona anankiray manao ny mahitsy sy ny rariny ianareo; fa raha mahita anankiray monja ianareo dia havelako ny helok’i Jerosalema.


Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!›


Kanefa teny fitaka sy tsy misy lanjany akory no ianteheranareo.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Lozan’izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.


Nohamafisin’ny manampahefana jiosy ny fiampangana ka nolazainy fa tena izany no izy.


ka rehefa eken’ny olona ny filàndratsy, dia miteraka ota; ary rehefa mahazo bahana tanteraka ny ota, dia miteraka fahafatesana ara-panahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra