Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 49:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko, sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho; nataony toy ny zana-tsipîka voarangitra tsara aho ka voaafiny tao amin’ny tranon-jana-tsipîkany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin’ny aloky ny tanany no nanafenany Ahy. Nataony zana-tsipìka voaranitra tsara Aho; teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Nataony toy ny sabatra maranitra ny teniko, sady arovany ao ambany aloky ny tanany aho; nataony toy ny zana-tsipîka voarangitra tsara aho ka voaafiny tao amin’ny tranon-jana-tsipîkany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; Tao amin’ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; Teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; tao amin'ny aloky ny tànany no nanafenany Ahy. Ary nataony zana-tsipìka voalambolambo tsara Aho; teo amin'ny tranon-jana-tsipìkany no nanafenany Ahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 49:2
20 Rohy Ifampitohizana  

Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,


Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko.


fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.


Indro ny mpanompoko izay tohanako, ilay voafidiko sady ankasitrahiko. Napetrako tao aminy ny Fanahiko mba hamoahany ny lamina ara-drariny ho an’ny firenena.


Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony! Raha misy mandeha amin’ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, aoka izy hitoky sy hiankina amin’ny TOMPO Andriamaniny!


Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy izay tokony holazaiko, mba hahaizako mamoaka teny hampahery ny reraka. Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon’ny mpianatra.


Hamelatra ny lanitra indray Aho sady hanorina indray ny tany, ka hilaza amin’i Tsiôna hoe: «Vahoakako ianao. Ataoko eo am-bavanao ny teniko; ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao.»


Manomboka izao dia hataoko mafy toy ny tanànamimanda ianao sy toy ny andry vy ary toy ny manda varahina raha mifanandrina amin’ny mponina rehetra eto amin’ny tany amin’ny mpanjakan’i Joda sy ireo mpitondra fanjakana sy ny mpisorona ary ny sarambabem-bahoaka ao amin’ny tany.


Koa ny hafatr’ireo mpaminany no ikapohako anareo; ny vavako no milaza fa entiko hovonoina ianareo. Ary ny didim-pitsarako ny aminareo dia hipoitra tahaka ny hazavan’ny andro.


Noho ny zana-tsipîkanao mamiratra mitsoriaka, noho ny lefonao manjelanjelatra mahajemby, dia tsy nahahetsika ny masoandro sy ny volana.


Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko! Avy nilaza izany Izy, dia niala aina.


raiso ny famonjena ho toy ny fiarovan-doha, ary raiso ny tenin’Andriamanitra ho toy ny sabatra omen’ny Fanahy Masina.


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Nitana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany ary ny tarehiny dia manelatrelatra tahaka ny masoandro faran’ny mamirapiratra.


Misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavan’Ilay mitaingina soavaly, mba hamelezany ny firenena. Dia hifehy ny firenena amin’ny tehim-by Izy, sady hanitsaka ny famiazan-divay, dia ny divay manambara ny firehetam-pahatezeran’Andriamanitra Tsitoha.


–Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Pergàmo: «Izao no lazain’Ilay manana ny sabatra maranitra roa lela:


Koa ialao ny toe-dratsinao; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely an’ireo amin’ilay sabatra mivoaka avy eo am-bavako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra