Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 49:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 MIHAINOA Ahy, ry nosy, Ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’ineny no efa nankalazainy ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 49:1
34 Rohy Ifampitohizana  

Ianao, Tompo ô, no namoaka ahy mba hiala avy tao an-kibon-dreniko ka nampandry ahy teo an-trotroany.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


«Aoka homem-boninahitra ny TOMPO any amin’ny faritra atsinanana! Ilay TOMPO Andriamanitr’i Israely, aoka homem-boninahitra ny anarany eny amin’ny tany amoron-dranomasina!»


Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko.»


Ry mponina any amin’ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikîna herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.


Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny; ary aoka hitory ny fiderana Azy ny mponina any amin’ny nosy lavitra!


Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohòka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen’i Jakôba mpanompoko ilay Jesoròna izay nofidiko.


Ry vahoaka Israely, ny TOMPO Izay nanavotra anao, Ilay namorona anao hatrany am-bohòka, dia indro milaza aminao hoe: «Izaho TOMPO no manao ny zavatra rehetra, Izaho irery ihany no nanenjana ny lanitra sy namelatra ny tany fa tsy nisy nanampy.


Mitodiha atỳ amiko, dia ho voavonjy ianareo, ry olona amin’ny vazan-tany rehetra; satria Izaho no Andriamanitra fa tsy misy hafa.


Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.


Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba, dia ianareo rehetra sisa velona amin’ny taranak’i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.


Indreny izy fa tonga avy any lavitra, ny sasany avy any avaratra, ny sasany avy any andrefana, avy any an-dranomasina, ny sasany avy any atsimo, avy any Ejipta.»


Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.


Efa akaiky ny fanafahako, efa hiseho ny famonjeko; ary ny fahefàko no hitsara ny firenen-kafa. Koa ny mponina any amin’ny nosy any dia hanantena Ahy sy hiantehitra amin’ny fahefàko.


Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin’ny toeram-boninahitra ambony indrindra.


Mankanesa atỳ amiko ianareo, ka manongilàna sofina; henoy Aho, dia ho velombelona indray ny tenanareo. Hanaovako fanekempihavanana mandrakizay ianareo ka homeko ny fitahiana nampanantenaiko an’i Davida:


dia horakora-pifaliana no hataoko eo amin’ny molony. Ka hoy AHO hoe: Fiadanana ho an’izay lavitra, fiadanana ho an’izay akaiky! Eny, hanasitrana ny vahoakako Aho.»


Sambo avy any amin’ny nosy lavitra any ireo no mitangorona tarihin’ny sambo vaventy. Avy lavitra tokoa no nitondrany ny zanakao miaraka amin’ny volafotsy sy ny volamenany: tonga izy hankalaza ny TOMPO Andriamanitrao, dia ilay Masin’i Israely Izay nampamirapiratra anao.


Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.


Noho izany àry, dia ny Tompo mihitsy no hanome famantarana ho anareo: jereo fa hitoe-jaza ny vehivavy ka hiteraka zazalahy ary ny anarany hataony hoe Himanoela, izany hoe «Andriamanitra miaraka amintsika.»


Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.


–Mbola tsy noforoniko tao an-kibon-dreninao akory ianao dia efa fantatro, ary mbola tsy teraka akory ianao dia efa natokako hanompo Ahy sy notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena maro.


Hahatsiravina ny hataon’ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran’izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin’ny taniny avy.


Eny, ho lehibe eo anatrehan’ny Tompo izy, ary hifady divay sy zava-pisotro hafa mahamamo, sady ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny.


Hitoe-jaza ianao, ho tera-dahy, ary i Jesoa no hataonao anarany.


Izaho kosa natokan’ny Ray sy nirahiny ho eo amin’izao tontolo izao; kanefa dia ataonareo hoe manevateva an’Andriamanitra Aho satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho!


Kanefa natokan’Andriamanitra dieny hatrany am-bohòka aho ary nantsoiny hanompo Azy noho ny fahasoavany.


Izany no nahatongavan’i Kristy nitory Vaovao Mahafaly fampihavanana taminareo hafa firenena izay lavitra an’Andriamanitra sy taminay Jiosy izay akaiky Azy.


Mitandrema àry! Aza manentsin-tadîny amin’izay miteny aminareo. Fa raha tsy afa-nandositra ireo nanentsin-tadîny tamin’ilay nilaza hafatr’Andriamanitra taminy teto an-tany, mainka fa isika raha miala amin’Ilay miteny amintsika avy any an-danitra.


I Kristy dia efa voatendrin’Andriamanitra rahateo talohan’ny nahariana izao tontolo izao, saingy tamin’izao andro farany izao vao naseho noho ny aminareo;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra