Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 48:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin’ny vaninandro izay nisehoan’izany zavatra izany.» (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa! Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho. Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin’ny vaninandro izay nisehoan’izany zavatra izany.» (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Manatòna Ahy hianareo, ka mihainoa; Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, Hatry ny fony vao nisian’ireo dia teo Aho, Ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 48:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!


Ry mponina any amin’ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikîna herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.


Eny, hatrizay hatrizay dia izany no maha Izaho Ahy. Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako, ary tsy misy mahaova izay ataoko.


An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!


Fa ianareo kosa manatòna eto, ry zanaky ny mpamosavy, taranaky ny lehilahy mpanitsakitsa-bady sy ny vehivavy janga!


«Ato amiko ny Fanahy avy amin’ny Tompo. Ka natokan’ny Tompo Aho hanambara Vaovao Mahafaly amin’ny mahantra; nirahiny Aho hitory fanafahana amin’ny mpigadra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka ny ampahorîna


ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an-kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra