Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 45:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 dia homeko anao ny harena ao amin’ny maizina sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO izay miantso anao amin’ny anaranao, dia Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Homeko anao ny raki-tsoany napetrany tao amin’ny toerana maizina sy ny harena nafeniny ao amin’ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no TOMPO Izay miantso anao amin’ny anaranao; Izaho no Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin’ny maizina Sy ny harena nafenina ao amin’ny mangingina, Mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin’ny anaranao, Dia Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia homeko anao ny rakitra ao amin'ny maizina sy ny harena nafenina ao amin'ny mangingina, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah Izay miantso anao amin'ny anaranao, dia Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 45:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny àry, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, ho to anie ny fampanantenana voalazanao tamin’i Davida mpanomponao.


«Izao no lazain’i Kirôsa amperôran’i Persia. Ny TOMPO Andriamanitry ny lanitra dia efa nanome ahy ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany ary efa nandidy ahy hanorina tempoly ho Azy any Jerosalema, izay ao amin’ny tanin’i Joda.


Hoy i Mosesy tamin’ny TOMPO: –Jereo ange, TOMPO ô! Ianao nandidy ahy mba hitarika ity vahoaka ity, nefa tsy nanondro izay tianao halefa hanampy ahy. Ianao ihany no nilaza fa fantatrao mihitsy aho ary nahazo fanambinana teo imasonao.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.


Eny, ambarao anay ny zavatra ho avy dia hoekenay fa andriamanitra tokoa ianareo. Manaova soa na manaova ratsy mba hiarahanay mahita sy mijery.


Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.


Izaho, eny, Izaho no niteny; Izaho mihitsy no niantso azy ka nanao izay hahatongavany sy hampahomby izay hataony.


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


Nisy folo lahy tamin’ireo anefa niteny tamin’i Jismahela hoe: –Aza vonoina izahay fa manana tahirin-tsakafo miafina any an-tsaha, dia varim-bazaha sy ôrza ary diloilo sy tantely. Koa tsy nampamonoin’i Jismahela niaraka tamin’ireo namany izy folo lahy.


Hatrany am-paran’ny tany, avia avokoa ianareo rehetra hamely azy. Sokafy ny fitehirizam-bokany ka avangongoy ho antonta iray ny remby; fa aringano tanteraka ny tanàna: aoka tsy hisy tavela intsony!


Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy, ka halemy toy ny vehivavy izy! Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny, ka ho voaroba ireo!


Ry Babilôna izay mipetraka eo amoron’ny ony lehibe sady manana harena sarobidy ô, tonga ny fiafaranao fa feno ny fatranao.


Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilôna ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran’ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra