Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 43:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Fa ankehitriny, izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary anao, ry Jakoba ô, sady namolavola anao, ry Israely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. Efa niantso anao tamin’ny anaranao Aho, Ahy ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ankehitriny kosa izao no lazain’ny TOMPO Izay nahary anao, ry firenen’i Jakôba sy namorona anao, ry vahoaka Israely: «Aza matahotra ianao, fa efa navotako; ny anaranao no efa niantsoako anao, ka Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’i Jehovah, Izay nahary anao Sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra hianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 43:1
49 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


Fantaro fa ny TOMPO no Andriamanitra; Izy no nanao antsika: ka Azy isika, vahoakany sady andian’ondry andrasany.


dia hitodika ny vavak’ireo norobaina ary tsy hanositosika ny fangatahany.


Tarihinao amin’ny fitiavanao ny vahoaka izay navotanao. Amin’ny herinao no itondranao azy ho amin’ny fonenany masina.


Tahotra sy horohoro no mahazo azy ireo! Manoloana ny halehiben’ny herinao, ry TOMPO, dia tsy nihetsika toy ny vato izy ambara-pahatafita ilay vahoakanao, dia ny vahoaka izay navotanao.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.


Rehefa maina ny rantsan-kazo, dia hotapahina; ary ho avy ny vehivavy ka handoro azy. Tsy manam-pahalalana tokoa ity firenena ity ka tsy hiantran’ilay Mpahary azy, sady tsy hangorahan’ilay Mpamorona azy.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Aza matahotra ianao, ry vahoaka Israely, firenen’i Jakôba, lazaina hoe mora vonoina toa kankana. Izaho TOMPO mihitsy no tonga hamonjy anao, Izaho ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.


«Izaho TOMPO no niantso anao araka ny fahamarinana ka nitantana anao. Izaho no niaro anao ka nanendry anao ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona ary koa ho fahazavan’ireo firenena.


dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»


Aza matahotra fa momba anao Aho. Avy any atsinanana no hamerenako ny taranakao, avy any andrefana no hanangonako ireo olonao.


dia izay rehetra mitondra ny anarako sady noarîko sy novolavolaiko mba hanome voninahitra Ahy.


Izaho TOMPO izay mpanao anao, ka namorona anao hatrany am-bohòka sy manampy anao no indro milaza aminao hoe: Aza matahotra, ry firenen’i Jakôba mpanompoko ilay Jesoròna izay nofidiko.


Izao kosa no lazain’ny TOMPO, dia ilay Masin’i Israely sady mpamorona azy: «Izaho ve no anontanianareo ny amin’ireo zanako sy homenareo baiko ny amin’izay tokony hataoko?


Ry firenen’i Jakôba, ny TOMPO mpanavotra anao, Ilay Masin’i Israely dia miteny aminao hoe: «Izaho TOMPO Andriamanitrao no mampianatra anao izay mahasoa anao sy mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao.


Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


Ireo olona mpampahory anao kosa hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany toy ny mimamo amin’ny divay vaovao. Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»


Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?


Manaova horakora-pifaliana ka redòny ny hiram-pihobiana, ry toerana rava ao Jerosalema, satria efa nampahery ny vahoakany ny TOMPO sady efa nanavotra an’i Jerosalema!


Ny besinimaro, na ianareo na iretsy, dia hantsoina hoe «ilay vahoaka masina», «ireo olona navotan’ny TOMPO»; ary ianao, ry Jerosalema, dia hatao hoe: «ilay irîna», «ilay tanàna tsy foy.»


Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Hoy izy hoe: ‹Avy lavitra ny TOMPO no tonga niseho tamiko.› ka hoy ny navaliko azy: ‹Fitiavana mandrakizay no itiavako anao ka famindrampo no itaomako anao hanatona Ahy.


«Tsy mba voamarikao angaha fa lazain’ny olona hoe nariako hono ireo fianakaviana roa nofidiko, dia i Israely sy i Joda? Izay miteny izany anefa dia tsy mihevitra ny vahoakako ho firenena intsony fa manevateva azy.


Koa hariako ve ny taranak’i Jakôba sy ny an’i Davida mpanompoko? Holaviko ve ny hanendry lehibe hitondra ny taranak’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba? «Tsia, fa hamerina azy amin’ny laoniny Aho ary hamindrafo aminy.»


Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery: TOMPOn’izao rehetra izao no anarako. Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny mba hampiadana ny taniny sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»


Nanatona Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka nanao tamiko hoe: «Aza matahotra!»


Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin’ny taonan’ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekempihavanana taminao, ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


sady nanao tamiko hoe: ‹Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!› Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: ‹Aoka àry hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy.›


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: –Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.


Mandritra ny andro maro, dia tsy masoandro tsy kintana mba hita; ary ny tafio-drivotra moa namely mafy hatrany, ka very fanantenana tanteraka izahay raha ny hoe ho voavonjy.


Koa noho izany, mahereza tsara, ry sakaiza, fa itokiako Andriamanitra; tsy ho raraka an-tany izay voalazany tamiko.


Fa asan’Andriamanitra isika; Izy no nahary antsika ho tafaray amin’i Kristy Jesoa, mba hanao asa tsara izay voaoman’Andriamanitra rahateo hotontosaintsika amin’ny fiainantsika.


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Moa izany no tokony ho navalinareo ny TOMPO, ry vahoaka adala, tsy misy fahendrena? Moa tsy Izy no Rainareo, ka fananany ianareo? Tsy Izy ve no nanao sy nampiorina anareo?


Anjaran’ny TOMPO kosa ilay vahoakany; ny taranak’i Jakôba no natokany ho fananany.


Kanefa ny fanorenana mafy nataon’Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: «Fantatry ny Tompo ireo Azy», sy ny hoe «Aoka hiala amin’ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!»


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra