Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 42:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny; ary aoka hitory ny fiderana Azy ny mponina any amin’ny nosy lavitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Aoka homena voninahitra NY TOMPO ary hotorina any amin’ny nosy ny fiderana Azy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hanome voninahitra ny TOMPO anie ireny; ary aoka hitory ny fiderana Azy ny mponina any amin’ny nosy lavitra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Aoka hanome voninahitra an’i Iaveh, sy hitory fiderana Azy eny amin’ny nosy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Aoka hanome voninahitra an’i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin’ny nosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Aoka hanome voninahitra an'i Jehovah izy Ary hitory ny fiderana Azy any amin'ny nosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:12
14 Rohy Ifampitohizana  

Hasaiko amin’ny sakafon-tsorona ny ory: hihinana anie izy ka ho voky! Hidera ny TOMPO anie ireo mitady Azy ka ho finaritra ho ela velona!


Ihirao salamo Izy satria be voninahitra. Tolory voninahitra Izy amin’ny fiderànareo.


Ny TOMPO no mpanjaka: miravoa, ry tany tontolo; mifalia, ry mponina amin’ny nosy maro.


Amin’izany andro izany dia hiteny ianareo ka hanao hoe: «Miderà ny TOMPO, antsoy ny anarany, ambarao amin’ny vahoaka rehetra ny asany, ampahatsiarovy azy fa tsy hay takarina ny anarany.


Tsy ho reraka na ho kivy izy mandra-panoriny ny lamina ara-drariny amin’ny tany fa hiandry dia hiandry ny lalànany ireo mponina any amin’ny nosy.


dia ilay vahoaka noforoniko ho Ahy ka hitantara ny antony hiderany Ahy.»


Koa manaova sarin’ny kitsonareo sy sarin’ny totozy mpandevona ny taninareo ary atolory izany ho fanomezam-boninahitra ny Andriamanitr’i Israely. Angamba mba hitsahatra tsy hanampatra ny heriny aminareo sy amin’ny andriamanitrareo ary amin’ny taninareo Izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra