Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 41:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Iza moa no nanao sy nahavita izany? Ilay miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha. Izaho TOMPO no voalohany, ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Tsy izaho ve no nanao sy nahatanteraka izany sady niantso ny taranaka hatrany am-piandohana? Izaho no TOMPO teo am-piandohana ary Izaho ihany no ho Izy any am-piafarana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Iza no nanao izany? Iza no nahefa izany? Ilay niantso ny taranaka hatramin’ny voalohany, Izaho Iaveh, Izay voalohany, sady ho eo amin’ny farany koa!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, Sady miantso ny taranaka maro hatramin’ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, Ary hatramin’ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Iza moa no nanao sy nahavita izany, sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha? Izaho Jehovah no voalohany, ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 41:4
26 Rohy Ifampitohizana  

Mbola ho levona ireo fa Ianao kosa maharitra. Mihatonta toy ny fitafiana ireo; hosoloanao toa akanjo, dia voasolo;


fa Ianao kosa tsy mba miova ary ny taonanao tsy mba hifarana.


Iza no nahafatra ny ranomasina teo am-pelatanany na naharefy ny lanitra tamin’ny irain-jehiny? Iza no nahangona ny vovotany tamin’ny vata famarana tokana ary nandanja ny tendrombohitra sy ny havoana tamin’ny mizana anankiray monja?


Atopazo eny an-danitra ny masonareo ka jereo: Iza no nahary ny kintana? Tsy iza fa Ilay mamoaka azy isan-tokony toy ny andian-tafika hanao matso sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Lehibe loatra ny heriny ary tena hentitra ny fahefàny ka tsy misy mitsoaka an-daharana ireo.


Amin’izay dia ho hitan’ny olona sy ho fantany, ary ho tsapany sy ho takany fa Izaho TOMPO, ilay Masin’i Israely, no namboatra sy nahary izany fanovana izany.


Iza àry no nanambara izany hatrany am-piandohana mba hoekenay fa mitombina? Ary iza no nanambara izany mialoha hilazanay hoe: «Marina ny azy»? Tsy nisy nanambara izany ianareo, tsy nisy nandrenesam-peo akory; tsy nisy mihitsy nandre ny teninareo.


Nanenjika ireny izy, ka tsy nandia tany akory no namakivaky soamantsara ny laharany.


Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba tamin’ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin’ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin’ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalànany.


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: Ianareo vahoakako no vavolombeloko, ianareo no mpanompoko izay nofidiko mba hahafantaranareo sy hitokianareo Ahy ary hahatakaranareo ny maha Izaho Ahy; talohako dia tsy nisy Andriamanitra ary tsy hisy handimby Ahy aoriako.


Eny, hatrizay hatrizay dia izany no maha Izaho Ahy. Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako, ary tsy misy mahaova izay ataoko.


Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»


Hoy ny TOMPO hoe: «Ry firenen’i Jakôba, ry vahoaka Israely izay nantsoiko, henoy Aho: Izaho no Ilay tsy miova, Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.


«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy; ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,» (izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Izany no ambaran’ny Tompo, Izay efa nampahafantatra izany zavatra izany hatramin’ny fahagolan-tany.»


Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.


Fantaro ankehitriny fa Izaho ihany no Andriamanitra ary tsy misy andriamani-kafa miolotra amiko: Izaho no mahafaty sy mahavelona, Izaho no maharatra sy mahasitrana, ary tsy misy mahafaka olona eo am-pelatanako.


nanao hoe: –Izay zavatra hitanao dia soraty ho boky ka ampitondray any amin’ny Fiangonana fito: dia any Efeso, Smirna, Pergàmo, Tiatira, Sardy, Filadelfia, ary Laôdisia.


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,


«Izaho no Alfa sy Ômega», hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, ilay Tsitoha.


«Izao no lazain’ilay Voalohany sady Farany, Izay efa maty nefa velona indray:


Izaho no Alfa sy Ômega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra