Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 39:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ireo razanao hatramin’izao. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Indro, avy ny andro, koa hoentina any Babilona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Indro ho avy ny andro hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-dapanao sy izay rehetra nangonin’ireo razanao hatramin’izao. Tsy hisy tavela eto na inona na inona, hoy Izaho TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Indro ho avy ny andro, hitondrana any Babilôna izay rehetra ato an-tranonao, sy izay rehetra nangonin’ny razanao mandrak’androany; tsy hasiana mijanona na inona na inona, hoy i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin'ny razanao ka voatahiry mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona inona na inona, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 39:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa araka ny efa nambaran’ny TOMPO dia nentin’i Nebokadnetsara ny zava-tsarobidy rehetra tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ary novakiny avokoa ny fanaka rehetra volamena izay nataon’i Salômôna mpanjaka ho an’ny tempolin’ny TOMPO.


Nony tonga ny lohataona, dia nandefa iraka i Nebokadnetsara ka nitondra an’i Jôiakîna mbamin’ny fanaka sarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ho any Babilôna; dia i Tsedekià rahalahin-drain’i Jôiakîna no nampanjakain’i Nebokadnetsara tamin’i Joda sy i Jerosalema.


Nalain’io mpanjaka io ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’ny TOMPO ary ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka sy ireo manampahefana; ka ireny rehetra ireny dia nentiny nankany Babilôna.


Ny haren’ny mponin’ity tanàna ity sy ny vokatry ny asany ary ny zava-tsoa ananany, mbamin’ireo raki-tsarobidin’ny mpanjakan’i Joda dia samy hatolotro avokoa ho eo an-tanan’ny fahavalony, ka horobainy sy halainy ary hoentiny any Babilôna.


Horobainy ny fitafianao sy ny firavaka fihaingoanao.


Dia natolotry ny Tompo teo an-tanany i Jôiakima mpanjakan’i Joda ary ny ampahan’ireo fanaka tao an-tranon’Andriamanitra. Nentin’i Nebokadnetsara ho any Babilônia ireo olona babo; ny fanaka kosa nentiny ho ao an-tempolin’ireo andriamaniny ary napetrany tao amin’ny efitrano firaketan’io tempoly io.


Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nandidy an’i Aspenaza lehiben’ireo tandapany mba hitondra tovolahy israelita avy amin’ny tarana-mpanjaka sy ny fianakavian’andriana sasany;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra