Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 36:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Dia i Eliakima, zanakalahin’i Hilkià sady mpiandraikitra ny lapa, no niainga hitsena azy niaraka tamin’i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà, zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia nivoaka hitsena azy i Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy i Sebna mpitantsoratra ary i Joa, zanak’i Asafa, mpitantsoratry ny raharaham-panjakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Dia i Eliakima, zanakalahin’i Hilkià sady mpiandraikitra ny lapa, no niainga hitsena azy niaraka tamin’i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà, zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Dia nanatona azy i Eliasima, zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, nomban’i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary Eliakima, zanak’i Hilkia, izay lehiben’ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia nivoaka ho ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 36:3
5 Rohy Ifampitohizana  

ka nangataka hiresaka amin’ny mpanjaka. Kanjo dia i Eliakima zanakalahin’i Hilkià sady mpiandraikitra ny lapa no niainga hitsena azy niaraka tamin’i Sebnà mpitantsoratra sy i Jôà zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka.


Ary i Eliakima zanakalahin’i Hilkià sady lehiben’ny lapa sy i Sebnà mpitantsoratra ary i Jôà zanakalahin’i Asafa sady mpitondratenin’ny mpanjaka dia niverina nankany amin’i Hezekià, rehefa avy nandriatra fitafiana, ka nitatitra taminy ny tenin’ilay lehiben’ny toby asirianina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra