Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 34:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Manatòna ianareo Jentilisa mba handre! Mihainoa ianareo firenena! Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Manatòna handre, ry firenen-kafa, ary mihainoa, ry vahoaka isan-tokony. Aoka handre ny tany sy izay rehetra mameno azy; aoka handre izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Manatòna hihaino, ianareo firenena, mampandria sofina, ianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin’ny vokatra rehetra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 MANATÒNA, hianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, hianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 34:1
25 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Andriamanitra tamin’i Noà: «Tapa-kevitra aho handringana ny olombelona. Fa noho ny aminy dia feno herisetra ny tany, koa hofongorako eto an-tany izy.


Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Salamo nataon’i Asafa . Ny TOMPO Andriamanitra Avo Indrindra no miteny ka miantso ny olona eran’ny tany, dia hatreo amin’izay iposahan’ny masoandro ka hatrany amin’izay ilentehany.


Lazao amin’ny olona hoe: «Ny TOMPO no mpanjaka! Voaorina mafy izao rehetra izao ka tsy hihontsona; hofehezin’ny Tompo araka ny hitsiny ny vahoaka.»


Mihainoa, ry lanitra, ary mandrenesa, ry tany, satria ny TOMPO no miteny hoe: «Efa nitaiza sy nahalehibe zanaka Aho; kanjo nikomy tamiko izy.


Ianareo rehetra mponina amin’izao tontolo izao ka mipetraka eto ambonin’ny tany, mijere rehefa atsangana eny an-tendrombohitra ny faneva famantarana, mihainoa raha vao maneno ny anjomara.


Ianareo lavitra, mihainoa izay nataoko; ianareo akaiky, fantaro ny heriko.»


Ry mponina any amin’ny nosy lavitra, mangina ka henoy Aho, hoy ny TOMPO. Ary ianareo firenena, misikîna herim-po. Misehoa aloha vao miteny ary andeha isika hiara-kiatrika fitsarana.


Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»


Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin’ny vaninandro izay nisehoan’izany zavatra izany.» (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)


Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.


Iza àry ity tonga avy any Edôma, avy any Bôtserà renivohiny, ka manao fitafiana miloko mena? Izato izy miedinedina amin’akanjo marevaka, miandranandrana amin’ny haben’ny heriny! –Izaho izany, hoy ny Tompo, dia Izaho izay mitory ny fanafahana sady manan-kery hamonjy!


–Ry taniko ô, ry taniko ô, ry taniko ô, henoy ny tenin’ny TOMPO.


Fanambarana momba an’i Edôma. Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: Tsy misy olon-kendry intsony ve ao Temàna? Efa very saina ve ireo matsilo saina? Sa efa vasoka ny fahendreny?


«Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ianao no ilay nambarako hatry ny fahiny elabe, fony Aho nandidy ireo mpanompoko, dia ny mpaminanin’i Israely, hilaza ny hafatro nandritra ny taona maro; ianao no nasaiko tonga hamely ny fireneny.


Nisehoam-pahitana i Hôbadià, ka izao no voalazan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny amin’i Edôma. Nisy iraka nalefa ho any amin’ny hafa firenena, ka renay nanambara filazana avy amin’ny TOMPO hoe: «Mitsangàna ianareo! Aoka isika hiara-mitsangana hanafika an’i Edôma!»


satria «an’ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina.


Mihainoa, ry lanitra fa hiteny aho; ny tany mandrenesa ny lazain’ny vavako.


Raha manao izany ianareo, dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio no manambara fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ny tany izay efa hiampitanareo an’i Jôrdàna mba halainareo ho fananana; tsy ho maro andro honenana eo ianareo, fa haringana tokoa.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:


Mihainoa ianareo, ry mpanjaka, manongilàna sofina ianareo, ry mpifehy, fa hihira ho an’ny TOMPO aho; eny, hikaloako salamo ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra