Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 33:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Mandositra ny vahoaka isan-tokony, rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra; miparitaka ny hafa firenena, vantany vao miseho ny fahambonianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ny feon’ny fitabatabana no mampandositra ny vahoaka; raha misandratra Ianao dia miparitaka ireo firenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Mandositra ny vahoaka isan-tokony, rehefa mandre ny firotsahanao an-tsehatra; miparitaka ny hafa firenena, vantany vao miseho ny fahambonianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ny feon’ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ny feon'ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 33:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra no eo anivony ka tsy hihontsona izy; Andriamanitra mamonjy azy raha ho avy ny maraina.


Ilay Andriamanitra fatra-pitia ahy dia ho avy tokoa hialoha ahy ka hataony hitako ny fahavaloko resy.


Hirotsaka hamely anie Andriamanitra ka ny fahavalony dia hiparitaka, ny mpankahala handositra lavitra Azy!


Fa nandositra teo anoloan’ny sabatra ireny, teo anoloan’ny sabatra tsy nitsitsitsitsy sy teo anoloan’ny tsipîka nihenjana ary teo anoloan’ny ady mahery vaika.


Miavosa toa fiavosam-balala ny remby; ary toa firohotr’andiam-balala no hirohotana mankeo aminy.


Ary hoy koa ny Tompo tamiko: «Ijoroy ny maha-mpaminany anao ny amin’ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny teny voalazako teo ka ampio hoe: Avy any ambony any ny TOMPO no manerona, avy ao amin’ny fonenany masina Izy no manandra-peo. Eny, manerona mafy amin’ny toeram-pitsaharany Izy ka mihorakoraka toy ny mpanosihosy voaloboka.


Tonga amin’ny mponina rehetra amin’ny tany izany feo mitrena ataon’ny Tompo izany, ary tafapaka hatrany amin’ny faran’ny tany. Manana ady atao amin’ireo firenena ny TOMPO ka miantso ny olona rehetra ho eo amin’ny fitsarana. Izay olon-dratsy dia hatolony haringana. Izany no teny hentitry ny TOMPO.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra