Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 32:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ratsy ny hafetsen’ny mpanambaka; manao teti-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga na dia manana ny rariny aza ny mahantra;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ny fangoloka kosa manana fitaovana ratsy, mamorona teti-dratsy hamelezana ny malahelo amin’ny filazana zavatra hosoka rehefa mitaky ny hitsiny ny mahantra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ny fiadanan’ny mpamitaka dia enti-mamadika, mamoron-tsain-dratsy izy io, hamerezany amin’ny lainga ny olona iva toerana, ary ny mahantra koa, na dia izay milaza zavatra ara-drariny aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ratsy ny hafetsen’ ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin’ny teny lainga, Na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ratsy ny hafetsen'ny mpifetsy; Mamoron-tsain-dratsy izy hanimbany ny ory amin'ny teny lainga, na dia miteny manan-drariny aza ny malahelo;

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:7
24 Rohy Ifampitohizana  

Mikendry hamely ahy ny olon-dratsy, satria ny baikonao no hadihadîko.


Mpikomy ireo mpanapaka anao, sady mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra. Samy tia tsolotra izy rehetra, ary mpandray kolikoly avokoa. Ny kamboty tsy entiny ara-drariny ary ny adin’ny mpitondratena tsy tsarainy.


fa hitsara ny malahelo ara-drariny ary hamoaka didy araka ny hitsiny ho an’ny mahantra eo amin’ny tany. Ny teniny no toy ny tsorakazo hikapohany ny tany ary ny fofonain’ny vavany no hamonoany ny olon-dratsy.


Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.


ka miampanga lainga azy amin’ny teny sy mamandrika ny mpitsara mba hamarina ny tsy manan-tsiny any an-davaka.


Manamarina ny olon-dratsy amin’ny fandraisana tsolotra izy ireny ary manala ny rariny amin’ny olo-marina.


Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.


Tsy eo tokoa ny fahamarinana; ary izay miala amin’ny ratsy dia mitolo-tena ho voaroba. Hitan’ny TOMPO izany rehetra izany, ary ratsy eo imasony ny tsy fisian’ny rariny.


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Dia hoy ny olona hoe: «Andeha isika hanao tetika hamelezana an’i Jeremià, fa tsy ho foana akory ny mpisorona hanome fampianarana, na ny olon-kendry hanolo-tsaina na ny mpaminany hampita ny tenin’Andriamanitra. Andeha hasiantsika amin’ny fanalam-baràka izy, ka tsy horaharahaintsika akory izay lazainy.»


Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hosedraina; ny olon-dratsy kosa tsy hisy hahafantatra ny heviny ka mbola hanao ratsy ihany, fa ny hendry no hahafantatra.


Lozan’izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.


Raha misy olona iray mpanao kobaka am-bava sy mpamoron-dainga ka miteny hoe: «Lazaiko aminareo fa divay sy toaka no hatobaka ho anareo», dia izy no mpaminany mirediredy mendrika an’ity vahoaka ity!


Ary niara-nioko izy rehetra hisambotra an’i Jesoa am-pitaka sy hamono Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra