Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 32:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ny adala mantsy dia mbola miteny hadalana ihany ary mamoron-keloka ny fony mba hanaovany izay ratsy sy hitenenany ratsy NY TOMPO, ary hiraharahany ny kibon’ny noana sy hanakanany ny mangetaheta tsy hisotro rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Ny adala miteny hadalana hatrany, ary ny fony manomana heloka; dia manatanteraka izany tahaka ny tsy mpivavaka izy ary koa miteny ratsy ny TOMPO. Avelany hitofezaka ny noana ary tsy ampisotroiny rano ny mangetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Satria ny adala miteniteny foana, ary ny ratsy no imasoan’ny fony, mba hanaovany zavatra mifanohitra amin’ny fivavahana; sy hanononany teny diso manohitra an’i Iaveh, mba hamelany ny fanahin’ny noana hilendalenda fotsiny eo, sy hanesorany ny fisotro eny amin’izay mangetaheta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, Ary ny fony mamoron-keloka, Mba hanaovany fihatsarambelatsihy Sy hitenenany hevi-diso ny amin’i Jehovah Ary hanaovany izay tsy hahazoan’ny noana hanina Sy izay tsy hahazoan’ny mangetaheta rano hosotroina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Fa ny adala mbola miteny fahadalana ihany, ary ny fony mamoron-keloka, mba hanaovany fihatsaram-belatsihy sy hitenenany hevi-diso ny amin'i Jehovah ary hanaovany izay tsy hahazoan'ny noana hanina sy izay tsy hahazoan'ny mangetaheta rano hosotroina.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 32:6
33 Rohy Ifampitohizana  

Aza avela hirona amin’ny zava-dratsy ny foko. Aoka aho tsy hiaraka amin’ny mpanao heloka na hivarilavo amin’ny fanao tsy mety na hihinana ny hanim-pin’ireo koa!


Rehefa simban’ny hadalàny ny lalan’ny olona, dia ny TOMPO indray no itezeran’ny fony.


Avo tsy takatry ny adala ireo tenim-pahendrena, ka tsy mba manoka-bava izy eo am-bavahady.


Hanesorana eo amin’ny fitsarana ny fitarainan’ny madinika izany ary hamerezan-jo aman-drariny ny mahantra eo amin’ny vahoakako, hamaboan-karena ny mpitondratena ary koa handrobam-pananana ny kamboty.


Nirahiko izy hamely firenena tsy mpivavaka ary nalefako hamely vahoaka ratsy fanahy mba handroba sy hanangona babo avy aminy, ka hanosihosy azy toy ny fotaka eny an-dalambe.


Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.


Ahoana moa no ahazoanareo mampahory ny vahoakako sy manosihosy ny fahamendrehan’ny mahantra? Izany no teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.»


Izy koa anefa mahay zavatra, afaka mahatonga loza ary tsy mitsoaka amin’izay nolazainy. Eny, ny TOMPO efa nitsangan-kamely ny antokon’ny olon-dratsy ary koa ireo mpanao heloka izay fitadiavam-pamonjena.


Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.


Mihazakazaka erỳ ianareo hanao ratsy ary mirohotra hamono ny tsy manan-tsiny. Ny hanisy ratsy ny hafa ihany no kendrenareo; fandravana sy fandringanana no eo amin’ny alehanareo.


Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr’ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.


Afaka hanova ny volon-kodiny ve ny Etiôpianina na afaka hanova ny sorany ve ny leôparda? Tsia! Dia toy izany koa ianareo, izay efa zatra manao ratsy: tsy afaka hanao ny tsara intsony ianareo!


Tsy ampy ny sasany eo aminareo angaha ny miraoka eny amin’ny tanim-bilona tsara no dia hosihosenareo koa ny ahitra sisa? Tsy ampy anareo angaha ny misotro ny rano madio no dia lotoinareo amin’ny tongotrareo koa ny rano sisa?


Maro no hodiovina sy hofotsiana ary hosedraina; ny olon-dratsy kosa tsy hisy hahafantatra ny heviny ka mbola hanao ratsy ihany, fa ny hendry no hahafantatra.


ary hatramin’ny vary loha-kororoka no hamidintsika. Hovidintsika ho andevo ireo fadiranovana sy mahantra, noho izy tsy mahaloa na ny vidin-kapa iray lomisy aza.


Satria avy ao am-pon’ny olona no ipoiran’ny sain-dratsy mahatonga azy hamono olona, haka vadin’olona, hijangajanga, hangalatra, hanao vavolombelona tsy marina, ary hanao vava ratsy.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Fa amin’Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriana mahazo azy ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.


Ny TOMPO anie no hitsara ahy sy ianao, ka hamaly anao noho ny ratsy nataonao tamiko! Fa izaho kosa tsy haninji-tanana aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra