Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 27:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tsia, fa nohelohiny hatao sesitany izy ka halefa any am-pahababoana, nopaohiny tamin’ny rivo-mahery, dia tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Tamin’ny nandroahana azy, tamin’ny famoahana azy tany ivelany no nitsarana azy; nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsia, fa nohelohiny hatao sesitany izy ka halefa any am-pahababoana, nopaohiny tamin’ny rivo-mahery, dia tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nofaizinao amin’ny sazy antonony izy, nataonao sesitany. Noroahiny tamin’ny rivotra mahery tamin’ny andro misy rivotra avy atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Tamin’ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Tamin'ny nandroahany azy dia voafetra no niadiany taminy; Nokororohiny tamin'ny rivony mahery izy tamin'ny andron'ny rivotra avy any atsinanana.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 27:8
33 Rohy Ifampitohizana  

Hiezaka mafy ve Izy hifandahatra amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy.


Satria fantany ny namolavolana antsika, ka tsaroany tokoa fa vovoka isika.


Tsy mba mandevilevy lalandava Izy, tsy mitahiry fahatezerana mandrakizay.


Salamo nataon’i Davida. Hitaomana an’Andriamanitra hahatsiaro azy .


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo. Salamo nataon’i Davida.


fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany. Fiatoana


Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.


Aiza indray àry no tianareo hikapohana anareo no mbola mikiry amin’ny ditranareo ihany ianareo? Efa feno ratra avokoa ny loha, ary marary ny fo manontolo.


Kanefa rehefa vitan’ny Tompo avokoa ny asany ao an-tendrombohitra Tsiôna sy ao Jerosalema, dia hofaiziny ny mpanjakan’i Asiria noho ny fony feno avonavona sy ny fijeriny miandranandrana.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Vetivety foana no nanariako anao, fa amin’ny indrafo lehibe no hampodîko anao.


Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.


Samy efa tahaka ny olo-maloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny asa soa rehetra mba vitanay. Paohin’ny helokay izahay rehetra toy ny ravin-kazo maina paohin’ny tadio.


Koa ahitsio aho, ry TOMPO, nefa araka ny antonony ihany fa tsy araka ny fahatezeranao fandrao hataonao tonga tsinontsinona aho.


Fa miaraka aminareo Aho, mba hamonjy anareo; teny hentitry avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina.»


Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe: «Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra no tonga avy any an-taniefitra mankany amin’ny vahoakako; tsy rivotra malefaka hikororoham-bary


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ho lao ny tany manontolo nefa tsy hofoanako avokoa.


Ry taranak’i Jakôba mpanompoko, aza matahotra ianareo, satria Izaho no miaraka aminareo; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Hofongorako ny firenen-kafa rehetra izay nanelezako anareo; ianareo kosa tsy mba hofongorako, na dia tsy maintsy faiziko araka ny hitsiny ihany aza fa tsy havelako ho afa-maina!


Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.


Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo araka ny halehiben’ny fitiavany.


Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin’ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon’ny ao.


Fa na dia miroborobo aza i Efraîma eo anivon’ireo mpiray firenena aminy, dia hiakatra avy any an-taniefitra ny rivotra avy atsinanana; ka ny TOMPO no handefa izany. Dia ho ritra ny loharanony ary ho tànkina ny fantsakàny. Hobaboina ny tahiriny, dia ny fanaka sarobidy rehetra.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.


Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra