Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 24:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina! Fa hoy kosa aho: Levona aho! Levona aho! Lozako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka tokoa!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Hatrany am-paran’ny tany no andrenesanay hira hoe: «Voninahitra anie ho an’Ilay Marina!» Fa hoy kosa aho anakampoko hoe: «Vita ny amiko, vita ny amiko.» Lozan’ireo mpamadika! Mamadika tokoa ny mpamadika; eny, mamadika hatrany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Hatrany am-paran’ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an’ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: Voninahitra ho an'ny marina. Fa hoy izaho: Indrisy izato halevonako! Indrisy ity halevonako! Ny mpamitaka dia mamitaka; Eny, ny mpamitaka dia mamitaka fatratra.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 24:16
41 Rohy Ifampitohizana  

Dia nomeny azy ny hena notakîny ka nataony voky sy leony mihitsy ireo.


Nahita mpivadika aho, ka narikoriko; ny hafatrao tsy mba tandremany.


Koa angataho amiko ny firenena rehetra, dia homeko ho fanananao ireny hatrany amin’ny faravazan-tany,


Tsy mbola tonga kirihitra akory ny tsilo novolen’ny olon-dratsy, dia hongotan’ny tafiotra sahady na mbola maitso na efa maina.


tonenao ny riaka misamboaravoara sy ireto onjany mirohondrohona, ampangininao ny firenena mitabataba.


Indro ny tany nanome ny vokany, fa Andriamanitra Andriamanitray no efa nomba fitahiana anay.


Tsy nohadinoin’ny Tompo, ry terak’i Israely, ny naneho fitia sy toetra mahatoky tamintsika; ka dia hitan’ny vahoaka hatrany am-paran’ny tany fa nandresy tokoa ilay Andriamanitsika.


TOMPO ô, iza moa no andriamanitra tahaka Anao? Iza no malaza amin’ny fahamasinana tahaka Anao, mahatahotra, mendri-piderana, afaka manao zava-mahagaga?


Noho izany, ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao dia tsy hampamokatra intsony ny tany lonaka ao Asiria. Ary toy ny fihanaky ny afo rehefa misy hain-trano no hiparitahan’ny afo mihanaka eo ambanin’ny famirapiratan’io firenena io.


Hanangana faneva ny Tompo mba hahafantaran’ny hafa firenena fa hamory ireo sesitany tamin’i Israely Izy ary hanangona ireo niely patrana tamin’i Joda avy any amin’ny vazan-tany efatra.


Amin’izany andro izany dia hihena ny lanjan’ny taranak’i Jakôba ary ny hatavezany hanjary fahiazana.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


TOMPO ô, nampitomboinao ny firenenay, ary izany no nahazoanao voninahitra; eny, nampitomboinao ny firenenay ka nitarinao halalaka avokoa ny sisin-taniny.


Amin’izany andro izany dia ny TOMPOn’izao rehetra izao mihitsy no hanjary satroboninahitra marevaka, fehiloha sy haingon’ireo sisa velona amin’ny vahoakany.


Lozanao, ry ilay tsy norobaina nefa mandroba sy ry ilay tsy nofitahina nefa mamitaka. Rehefa mitsahatra mandrava ianao, dia mba horavana koa; ary rehefa mitsahatra mamitaka, dia mba hofitahina koa.


Mihirà hira vaovao ho an’ny TOMPO; miderà Azy avy any am-paran’ny tany ianareo mpivezivezy eny an-dranomasina sy ianareo mponina any amin’ny nosy.


Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.


Nahariharin’ny TOMPO teo imason’ny firenen-kafa rehetra ny hery maneho ny fahamasinany ka hahita ny famonjen’Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.


Dia hoy aho hoe: «Lozako, very aho satria olona maloto molotra sady eto amin’ny firenena maloto molotra no itoerako; kanefa ny Mpanjaka, ilay TOMPOn’izao rehetra izao, no hitan’ny masoko!»


Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.


TOMPO ô, mpandala ny rariny Ianao ka tsy tokony mifandahatra aminao aho. Nefa ny amin’ireto toe-javatra ireto dia te hiady hevitra aminao aho. Nahoana no ahitam-pahombiazana ny lalana ombàn’ny olon-dratsy? Ary nahoana no miadam-pinaritra ireo rehetra mpivadika aminao?


Fa na dia ireo mpiray foko aminao aza, eny na dia ireo iray fianakaviana aminao aza, dia mamitaka anao ka miantso olona am-badika hanohitra anao. Aza matoky azy, na dia tsara vava aminao aza izy.


Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny no nisintahanao tamiko, ry taranak’i Israely; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Mitomany foana izy amin’ny alina, mirotsa-dranomaso eny an-takolany; izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy. Nanary azy avokoa ny sakaizany, ary tonga fahavalony ankehitriny.


Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.


Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.


Noho ny heloka vitany sy ny heloka vitan’ny razany, ireo sisa velona aminareo dia ho levona any amin’ny tanin’ny fahavalony any.


izy no hitondra fiadanana! –Raha tonga hanafika ny tanintsika ny Asirianina ka hitsofoka hatraty an-dapantsika, dia hanangana mpitari-tafika marobe hamelezana azy isika.


Nefa madio loatra ny masonao ka tsy mahajery ny ratsy; ary tsy tantinao koa ny mitazana fahoriana. Koa nahoana no jerenao fotsiny izay ataon’ny mpamitaka? Ary nahoana no mangina Ianao, Andriamanitro ô, raha aripaky ny olon-dratsy ny marina noho izy?


Nahoana no ampahitanao faharatsiana maro aho? Nahoana no mijery fotsiny ny fahoriana Ianao? Fa ny hany manodidina ahy dia famoretana sy herisetra; ary fitsarana sy fifandirana no mipoaka hatraiza hatraiza.


ary dia haniraka ny anjeliny Izy ka hanangona ny olom-boafidiny avy any amin’ny vazantany efatra, manomboka amin’ny faravodilanitra ankilany ka miafara amin’ny faravodilanitra andaniny.


Fa izao no nandidian’ny Tompo anay: «Notendreko ho fanazavana ny hafa firenena ianao, mba hitondranao ny famonjena hatrany am-paran’ny tany!»


Ary miventy ny hiran’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanakondry izy ireo manao hoe: «Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha! Ara-drariny sy mahitsy ny fandaharanao ry Mpanjakan’ny firenena!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra