Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 22:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Mitondra tsipîka sy zana-tsipîka ny Helamita, sady mitaingina kalesy sy soavaly; ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Mitondra ny tranon-jana-tsipìka i Elama, manatona ny kalesy fitondra miady misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Manaisotra ny fonon’ampinga i Kira.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Mitondra tsipîka sy zana-tsipîka ny Helamita, sady mitaingina kalesy sy soavaly; ary mamelatra ampinga ny mpiady avy any Kira.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 I Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka, tamy izy mitondra kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly; ary Kira nanala fono ny ampingany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka Mbamin’ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon’ampinga.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary Elama mitondra ny tranon-jana-tsipìka mbamin'ny kalesy misy olona sy ny mpitaingin-tsoavaly; Ary Kira manaisotra ny fonon'ampinga

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 22:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny zanakalahin’i Sema dia i Helama sy i Asora, i Arpaksàda sy i Loda ary i Arama.


Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asiria, dia nanafika ny tanànan’i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.


Amin’izany andro izany ny Tompo dia haninjitra ny tanany indray mba hanavotra izay sisa velona amin’ny vahoakany, dia izay sisa velona avy any Asiria, avy any Ejipta ambany sy ambony ary avy any Etiôpia, avy any Helama sy Babilônia ary avy any Hamata na avy amin’ireo tany amoron-dranomasina.


Hafatra momba an’i Môaba. Indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Hara-Môaba, indray alina monja dia rava tsy nisy niangana ny tanàna Kira-Môaba.


–Misy fahitana mahatsiravina naseho tamiko ny amin’izany. Lasa mpamadika fatra-pamadika sy mpandrava fatra-pandrava tokoa ny firenena sakaiza fahiny. «Miakara hanafika, ry Helamita; ataovy fahirano ny tanàna, ry Medianina, fa hatsahatro ny fampihorohoroana rehetra nafitsony, hoy ny Tompo.»


Feno kalesy sy soavaly, ry Jerosalema, ny lohasahanao tsara indrindra; milahatra eo am-bavahadinao ireny,


Hopotehiko ny hidim-bavahadin’i Damasy; haringako ny mponina ao an-dohasahan-keloka sy ilay mpitana tehim-panjakana ao an-dapam-pilibana; ary ny vahoakan’i Siria ho lasan-ko babo any Kira. Izaho Tompo no miteny.»


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra