Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 18:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana hoentina ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, avy amin’ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, firenena mahatahotra hatramin’ny niandohany ka mandraka ankehitriny, firenena matanjaka be sady mahery setra, izay vakivakin’ny ony maro ny taniny, ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia ny tendrombohitra Ziona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Amin’izany andro izany, hisy fanatitra haterina amin’i Iavehn’ny tafika, avy amin’ny vahoaka lava ranjanana sady malambolambo ny hodiny, amin’ny vahoaka atahorana any lavitra any, firenena manao jadona sady manorotoro ary vakivakin’ny ony ny taniny, ho ao amin’ny fonenan’ny Anaran’i Iavehn’ny tafika, any an-tendrombohitra Siôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Amin’izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’i Jehovah, Tompon’ny maro, Dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, Ary avy amin’ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, Dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ny ony maro ny taniny, Ho ao amin’ny fitoeran’ny anaran’i Jehovah, Tompon’ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 18:7
17 Rohy Ifampitohizana  

Olona maro no nitondra fanatitra ho an’ny TOMPO tao Jerosalema ary koa fanomezana ho an’i Hezekià mpanjakan’i Joda; ka nanomboka tamin’izay i Hezekià no nalaza teo imason’ny firenen-drehetra manodidina.


Ho avy aminao ny andriandahin’i Ejipta; hananty tanana aminao ny Etiôpianina.


«Avy ao Sela any an-taniefitra no alefaso ny ondrilahin’ilay mpifehy ny tany ho any amin’ny tendrombohitra Tsiôna.»


Irahinao ny masoivoho izay mandeha lakan-jozoro eny ambonin’ny ranon’i Neily. –Miverena ianareo, ry iraka faingam-pandeha, any amin’ireo olona ranjanana sy malandilandy, any amin’ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, any amin’ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony. Miverena any amin’ny taninareo izay vakivakîn’ny ony maro.


Fa izao no nolazain’ny TOMPO tamiko: «Avy etỳ amin’ny fonenako ambony etỳ no andinihako izay miseho, ka tsy mihontsona mihitsy Aho toy ny hafanana migaingaina apariakan’ny masoandro sy toy ny raho-manify amin’ny fotoam-pijinjana.»


Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»


«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»


Mahatsiravina sy mahatahotra izy, fa ny tenany ihany no fenitra ipoiran’ny zony amam-pahefàny.


Eny fa hatrany an-dafin’ny onin’i Etiôpia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.»


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra